Accueil 2022 juin

Archives mensuelles: juin 2022

Drafi-pirenena momba ny asa mendrika: hiroso amin’ny dingana faharoa isika

0
Tsy tratra ny tanjona tamin'ny fametrahana ny asa mendrika eto Madagasikara tamin'ny alalan'ny fanatanterahana ny drafitra momba ny asa mendrika andiany voalohany, araka ny nambaran'ny Filohan'ny GEM Thierry Rajaona. Ambony manoloana io ny andrasan'ny sendikan'ny mpiasa sy ny eny anivon'ny sehatra tsy miankina mikasika ny fanatanterahana ny dingana faharoan'ity drafitra momba ny asa ity. Androany no notontosain'ny governemanta Malagasy sy ny BIT ny fanaovan-tsonia amin'ny fanatanterahana azy.

Didipoitra faobe : nisitraka izany ihany koa ny Kaominina Ambatomena

0
Nisitraka ny hetsika Didipoitra faobe, iarahana amin’ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’i Manjakadriana sy ny Antoko Malagasy Miara-Miainga ny tao amin’ny Kaominina Ambatomena androany. Velom-pisaorana ny mponina ary nahatsapa fa zava-dehibe ny fahaizana manolotra sy manome tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka tahaka izao.

Toliara : ny commandant RANDRIANIRINA Michael no mitantana ny Bataillon d’infanterie

0
Tsy ny Rezimanta voalohany eo amin’ny faritanin’ny Miramila fahadimy izao no misahana ny fanomanana ny ara-pitaovana sy ny ara-batana ny Miaramila eo anivon’ny Tafika fa ny Bataillon d’infanterie. Nisy ny lanona ara-miaramila natao tany Toliara, fanolorana ny faneva ho an’ny bataillon d’infanterie Toliara.

Fampiakarana ny karama farany ambany ho an’ny tsy miankina: tsy misy ny décret mikasika ny fanatanterahana azy hatreto

0
Tsy mazava hatramin'izao ny mikasika ny fanatanterahan'ireo orinasa tsy miankina ny fampiakarana ny karama farany ambany taorian'ny fanambaran'ny Filohan'ny Repoblika ny hiakaran'ny SMIG ho 250 000 Ar noho ny tsy mbola fisian'ny décret mikasika izany hatreto. Nanaitra ny fanjakana manoloan'io ny GEM na ny Groupement des entreprises androany ny tokony hanazavana amin'ny fomba mangarahara sy mazava momba ny fanatanterahana ny fampiakarana io.

SEMPIDOU : takiana ny fampiharana ny sata mifehy ny asam-panjakana

0
Takiana ny fampidirana ny sata mifehy ny asa-mpanjakana eny amin’ny Antenimierampirenena hoy ny Filohan’ny Sendikan’ny mpiasan’ny Douane, hahafahana manatsara ny fiainan’ireo mpiasam-panjakana rehetra. Tsy natao ho fahavalo akory ny sendika raha misy fitakiana tahaka izany araka ny fanazavana hatrany.

Restructuration de l’Armée : vita ny fanitsiana ny Tafika an-tanety

0
Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy androany teny amin’ny bataillon d’infanterie d’Antananarivo na ny RTS teo aloha ny fanitsian-drafitra eo amin’ny Tafika an-tanety. Natao izany mba hifanaraka amin’ny ambana misy ankehitriny sy hanamora ny fidirana an-tsehatra. Ho hita taratra mandritra ny matso lehibe izay atao ny faha-26 jona ho avy izao izany fanitsian-drafitra izany.

Ambatomena – Antsirabe II : nahazo posté avancé ho an’ny Zandarimariam-pirenena

0
Nahazo Posté avancé ho an’ny zandarimariam-pirenena ny tao amin’ny kaominina Ambatomena distrikan’Antsirabe faharoa. Fotodrafitrasa izay fiaraha-miasa sy fifanomezan-tanana avy amin’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga ary ny solombavambahoaka voafidy tao Antsirabe faharoa no nahafahan’ireo vahoaka nisitraka izany.

Ambohitanibe Ambatondrazaka: mirongatra ny hala-botry

0
Lehilahy sahabo 40 taona no niharan’ny fitsaram-bahoaka omaly tao amin’ny fokontany Ambohitanibe Ambatondrazaka. Raha ny fanazavana, resaka hala-bary no nahatratrana ity farany, antony namonoan’ny fokonolona azy.

Saran-dalana eto an-drenivohitra: ahiana hiakatra 1 000 Ariary

0
Vinavinaina hiakatra 1000 Ariary ny saran-dalana amin’ireo fitateram-bahoak eto antanannarivo renivohitra rah any fanazavan’ny UCTU androany. anton’izay fiakarana izay ny fiakaran’ny vidin’ireo kojakoja ampiasaina amin’ny fiara fa indrindra ny fiakaran’ny solika izay tsy azo idovirana atsy ho atsy. Hisy arak’izany ny fiaonana sy fifampidinihana miaraka ami’ny fanjaka sy ireo coperativam-pitaterana eto andrenivohitra mba ijerena vaha olana mikasika ny fiakaran’ny saran-dalana.

Firenena mikambana : zava-dehibe ny fisorohana mialoha ny vokadratsin’ny fiovan’ny toetr’andro

0
Zava-dehibe ny fahafahana misoroka mialoha ny voka-dratsy mety hateraky ny fiovan’ny toetr’andro sy ireo loza voajanahary eto Madagasikara, hoy ny Solontenana manokan’ny Sekretera Jeneraly ny Firenena mikambana, izay nitsidika ny tapany atsimon’ny Nosy. Ny fisorohana mialoha izay miantraika mivantana amin’ny sosialin’ny mponina ihany koa noho izy ireo ho afaka mamokatra.