Archives quotidiennes: 17 mars 2023

SMM : tsy ekena ny fanomezana baiko ireo mpitsara, indrindra ny ady amin’ny kolikoly

0
Mikorosy fahana ny tontolon’ny Fitsarana eto Madagasikara amin’izao fotoana hoy ny eo anivon’ny SMM na ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara.  Araka izany, namoaka fanambarana miantso fandraisana andraikitra amin’ny Filan-kevitra ambonin’ny Fitsarana ny Sendika.

Anjara hetran’ny kaominina : tsy arotsaky ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola

0
Tsy arotsaky ny eo anivon’ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola ny anjara vola tokony ho sitrahan’ny kaominina maro avy amin’ireo hetra samihafa amin’izao fotoana. Nanomboka ny volana novambra 2022 no efa tsy nisy intsony izay Virement izay ho an’ny kaominina Imerintsiatosika hoy ny ben’ny tanàna ka mikatso ny asa fampandrosoana sy ny fampandehanan-draharaha ankapobeny.

Faharatsian’ny lalana : mitohy hatrany ny fitarainana sy antso avo ataon’ireo mpitatitra

0
Mitohy hatrany ny fitarainan sy ny antso avo ataon’ireo mpitatitra noho ny faharatsian’ny lalana amin’izao fotoana. Ny faharatsian’ny lalana izay mampirongatra ny tsy fandriampahalemana sy ny fanafihana ireo fiara mpitatitra vahoaka raha ny fitarainana voaray.

FANAVAOZANA TANTERAKA NY LISIM-PIFIDIANANA : ny 5,65% n’ny fokontany, tsy nanaraka ny voalazan’ny lalàna hoy ny SAFIDY

0
Maro ny lesoka tamin’ny fanantanterahana ny fanavaozana tanteraka ny lisim-pifidianana hoy ny sehatra mpanara-maso ny fifidianan SAFIDY nandritry ny fitsirihana nataon’izy ireo. Isan’izany ny tsy fahampian’ny fitaovana entina manao ny fanisana ireo mpifidy ary ny tsy fahampian’ny fahampafantarana sy fanentanana ara-piffidianana eny anivon’ny Fokontany. Hatramin’ny 5,65% ny Fokontany ihany koa ankilany no tsy nanaraka ny voalazan’ny lalàna tao anatin’izay.

Fiondranana an-tsokosoko : maro ny antony tsy ahafahana mifehy azy hoy ny APMF

0
Maro ny teboka tsy mbola ahafahana mifehy ny endrika tsy fanarahan-dalana amin’ny fitaterana an-dranomasina indrindra ny fiondranana an-tsokosoko mihazo ireo Nosy manodidina hoy ny tale jeneralin’ny APMF androany. Isany tokony hatao laharampahamehana ny fifanomezam-baovao amin’ireo sampandraharaha isan-tokony ahafahana misoroka mialoha ny trafika tsy ara-dalàna miafara amin’ny famoizana aina. Fotoana ihany koa izao hijerena ny olana fototra mitarika ny fiondranana an-tsokokoso izay, indrindra ny lafiny sosialy sy ny fampananan’asa eto amin’ny firenena.

ANTSOHIHY : noraisina an-tanana ny fitsaboana ireo vehivavy roa tafavoaka velona

0
Noraisin’ny zandary an-tànana ny fitsaboana ireo vehivavy roa, tafavoaka velona tamin’ny loza an-dranomasina niseho tao Ankazomborona Ambilobe. Mitohy kosa ny fikarohana ireo tompon’antoka tamin’ny fikarakarana, ny fitondrana sy ny fitaterana olona hivoaka an-tsokosoko any Mayotte, izay namiozana ain’olona maro farany teo.