Accueil 2023 avril

Archives mensuelles: avril 2023

Kaominina Antananarivo : nolanian’ireo mpanolontsaina ny tetibolan’ny kaominina.

0
Nolanian’ireo mpanolontsaina androany ny teti-bola ny kaominina Antananarivo renivohitra ho amin’ny taona 2023. Mpanolo-tsaina miisa 53 no tonga nandray anjara tamin’ny tsangatanana. Ny fivoriana izay efa nanomboka ny 27 martsa 2023 lasa teo. Raha ny mahakasika ny faharatsian-dalana eto andrenivohitra,  ny tsy fahampian’ny teti-bola am-pelatanan’ny kaominina no antony tsy nahafahana nanamboatra izany raha ny fanazavana hatrany.

Plan Emergence Madagascar : tsy maharesy lahatra ny mpamatsy vola hoy ny mpahay Toekarena

0
Tsy maharesy lahatra ireo mpamatsy vola ny politikam-panjakana hoy ny mpahay Toekarena Hugues RAJAONSON androany, ka antony mahatonga ny tsy fahatanterahan’ireo tetikasa voasoratra ao anatin’ny PEM na ny Plan Emergence Madagascar. Tsy mifanaraka amin’ny zava-misy ny velirano nataon’ny filoha ka tsy hisy mpamatsy vola ho azony intsony amin’izao fiafaran’ny fotoam-piasany izao.

Volam-bahoaka : tsy tokony ho laniana amin’ny fampielezan-kevitra

0
Miendrika fampielezan-kevitra alohan’ny fotoana avokoa ny fitokanana zava-bita amoriana olona maro ataon’ny filoham-pirenena ankehitriny hoy ny mpamakafaka ara-politika RAKOTOSON Dany. Tsy tokony ho laniana amin’izay arak’izany ny volam-panjakana izay azo hanatanterahana ireo fotodrafitrasa maika sy laharampahamehana ho an’ny vahoaka ankehitriny.

Fampandrosoana : tsy afaka mihetsika ireo Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana

0
Tsy afaka mihetsika ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana noho ny tsy fisian’ny Fitsinjaram-pahefana eto amintsika. Raisin’ny Minisitera sy ny Fanjakana foibe avokoa ny asa sy andraikitra sahanin’izy ireo ka tsy afaka mankany amin’ny fampandrosoana.

Fitondram-panjakana: matetika mandray fanapahan-kevitra tsy am-piheverana

0
Henatra ho an’ny vahoaka Malagasy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana izay manohitohina ny Demokrasia hoy ireo mpanao politika sy mpandinika ny raharaham-pirenena androany. Ny vondrona iraisam-pirenena no manaitra ny fanjakana manoloana ny fandikana ny lalàm-panorenana sy ireo fifanarahana iraisam-pirenena nosoniavin’i Madagasikara.

FASAN’NY KARANA : ho hentitra ny fanaraha-maso ireo mpivezivezy amin’izao ankatoky ny fetin’ny Paska izao

0
Nandray fepetra hisorohana ny amin’ny mety hisian’ny lozam-pifamoivoizana sy ny fanararaotana fampiakarana saran-dalana amin’izao ankatoky ny fetin’ny Paska izao androany ny tompon’andraikitra eo anivon’ny tobim-piantsonana Fasan’ny Karana. Harahi-maso manoloana izany ireo mpamily sy mpandeha mandray zava-pisotro misy alikaola, ireo mikasa ny hampiakatra saran-dalana ary ireo olona mivezivezy ao anatin’ny tobim-piantsonana.

Fitondranam-panjakana : tsy mahay maka lesona amin’ny tantara

0
Tsy mahay maka lesona amin’ny tantara ny fitondrana ankehitriny, tsy mahagaga raha tsy misy ny fandrosoana hoy hatrany ny fanehon-kevitr’ireo mpanao politika sy olom-boafidy manoloana ny toe-draharaha ankehitriny. Ho sarotra ny andamina ny toe-draharaham-pirenena raha izao fahasahiranam-bahoaka izao no hipoaka raha ny fanazavana.

Mangily Toliara : olona 03 mpanondrana sokatra an-tsokosoko no tratra

0
Olona 03 mpanondrana an-tsokosoko ireo sokatra avy any Atsimo no sarona tao Mangily Toliara ka natolotra ny fampanoavana androany. Alefan’izy ireo Taxibrousse amin’ny alalan’ny Colis ireo sokatra ka misy mandray rehefa tonga amin’ny toerana handefasana azy.

JIRAMA : karohin’ny BIANCO  ireo tale jeneraly teo aloha

0
Mifampiaro amin’ny zavatra ratsy sisa ny mpitondra amin’izao fotoana raha ny fanehoan-kevitry ny solombavambahoaka manolona  famoahana fikarohana sy ny didy fampisamborana  ireo Tale Jeneralin’ny JIRAMA teo aloha, navoakan’ny BIANCO. Ilay raharaha " Prime Exceptionnelle" nozaraina ny taona 2021 raha tsiahivina no hiampagana azy ireo.

Fahafahana maneho hevitra : fototry ny Demokrasia

0
Maro ny fanehoan-kevitra niseho taorian’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fanjakana Malagasy ny amin’ny famerana ny famoriam-bahoaka, izay tsy maintsy atao anaty efitrano. Isan’izany ireo fiarahamonim-pirenena, olon-tsotra, mpanao politika sy ny maro hafa, ary vao omaly, namoaka fanambarana ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika amin’i Madagasikara.