Accueil 2023 avril

Archives mensuelles: avril 2023

Toamasina II: ny vadiny ihany no namono nahafaty azy

0
Lehilahy iray 42 taona no voalaza fa namono ka nahafaty ny vady andefimandriny tao amin'ny tanana antsoina hoe: tsaramandroso-maromaniry, fokontany ambodisaina, nalevin'ny vadiny teo an-tokotany ihany ilay razana rehefa tsy nisy nahita nandritra ny andro maromaro, razana efa simba no hitan'ny manodidina omaly alahady tolakandro, olana ara-panambadiana no fantatra fa anton'ny famonoana.

Antsirabe : nanombohana ny Cyber Game Contest

0
Afa-po tanteraka ireo tanora mpilalao ny taranja e-sport tao Antsirabe nandritra ny hetsika CYBER GAME CONTEST izay nokararakarain’ny KOLO TV  sy ny orange  ary 110 GAMING tany an-toerana. Niakatra ny lentan’ireo mpilalao raha oharina tamin’ ny taon-dasa hoy ireo mpikarakara.

Tsangam-bato Jean RAOULT : mamelona indray ny tantaran’ny fitaterana an’habakabaka

0
Notokanana androany ny tsangam-baton’ilay mpanamory Fiaramanidina Jean RAOULT, nisidina voalohany teto Antananarivo tamin’ny taona 1911. Tsangam-bato izay notadiavin’ny Groupe Henri Fraise, nohavaozina sy nohatsaraina ho famelomana indray ny tantara.  

Trafikana sokatra radiata : lesoka ny kolikoly sy ny tsy fampiharan-dalàna

0
Laharana voalohany amin’ny sokatra tratry fanondranana an-tsokosoko na izany eto Madagasikara na manerantany ny SOKAKE na ny radiata, araka ny RAPPORT PLANETE VIVANTE navoakan’ny WWF. Raha ny kolikoly sy ny tsy fampiharan-dalàna araka ny tokony ho izy no antony manamafy ny trafika araka ny tatitra hatrany, tsy hita taratra ny ezaka amin’ny fiarovana ireo sokatra hoy ny mpandinika ny fiainam-pirenena iray.

Mpiasa ECD INFP : 3 volana tsy nandray karama

0
3 volana tsy nandray karama ireo mpiasa ECD eo anivon’ny INFP na ny Institut national De Formation Pédagogique etsy Mahamasina. Tsy misy ny vola andoavana ny karaman’izy ireo raha ny fanazavana androany. Ny fanapahan-kevitra mikasika ireo mpiasa ECD izay miandry ny filan-kevim-pitantanana hoy ny  tomponandraikitra teo anivon’ity ivontoeram-pampiofanana ity.   

Oniversiten’Andrainjato Fianarantsoa : raikitra ny tora-bato, nirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso

0
Raikitra ny tora-bato, nirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso io maraina io nandritra ny fitakian’ireo mpianatra teo anivon’ny oniversite Andrainjato Fianarantsoa.  Vokany, mpianatra iray teo anivon’ny ENS no voasambotry ny mpitandro  filaminana. Fitakiana madiodio ireo tombontsoa tokony ho sitrahan’ny mpianatra no antony fitakiana ary natao ihany koa hanairana ny mpitondra fanjakana manoloana ireo olana maro.

Oniversiten’i Mahajanga : mitaky ny handoavana ny vatsim-pianarana 5 volana ireo mpianatra

0
Nanao hetsika fanairana nitakiana ny fandoavana ny vatsim-pianarana 5 volana tsy voaloha hatramin’izao ny maraina teo ireo mpianatry ny Oniversiten’i Mahajanga.  Ankilan’izay, nanome fe-potoana 72 ora izy ireo hamoahan’ny tomponandraikitra voakasika ny calendrier des bourses na ny tetiandro mahakasika izay vatsim-pianarana izay.

Vakinankaratra : tontosa tao Antsirabe ny fankalazana nasioanaly ny andron’ny Zandarimaria

0
Tontosa tao Antsirabe nandritra ny 04 andro ny fankalazana Nasionaly ny andron’ny Zandarimariam-pirenenaMaro ireo hetsika nataon’ireo zandary nanamarihana izany tany an-toerana .Nandritra izao fankalazana izao ihany koa no nanaovana ny famindram-pahefana tamin’ny Colonel ANDRIAPENO HARIVELO SAMI izay voatendry hitantana ny Vondrony tobim-paritra Zandarimaria ao vakinankaratra.

Fitokanana toeram-pivarotana « friperie » : 3 volana tsy mandoa hetra ireo mpivarotra

0
Nametraka lamina vaovao ny fiaidian’ny tanàna ao Antsiranana manoloana ny fahamaron’ireo mpivarotra friperie any an-toerana. Nisy araka izany ny fanomezana azy ireo toearam-pivarotana vaovao ao amin'ny Boulevard Binao. Trano eva manodidina ny 400 isa ary vola madiodion'ny commune Antsiranana no nanatanterahana izany.

Polisim-pirenena Mahajanga : jiolahy 23 nampihorohoro vahoaka tao Mahajanga no tratra

0
Jiolahy miisa 23 tsy nampandry fahalemana tao Mahajanga tampon-tanana no voasambotry ny Polisim-pirenena. Sasany tamin'izy ireo mpamaky Trano miaraka amin'ny pilotra, ao kosa ireo mpanao sintomahery,ny mpifoka zavamahadomelona sy ireo mpivarotra rongony, sns. Ny hamongotra ireo olon-dratsy ao Mahajanga no tanjon'ny Polisim-pirenena Ary manao antso avo amin'ny fokonolona amin'ny Fanomezana loharanombaovao.