samedi 27 avril 2024

Archives mensuelles: mai 2020

Antananarivo renivohitra : nitondra fanazavana manoloana ny raharaha « taxi »

0
Taorian’ny fanehoan-kevitra nataon’ireo fikambanan’ny TAXI eto Antananarivo Renivohitra, izay nilaza fa misy ny Antsojay sy tsindry ary fivadihan’ny kaominina antananarivo renivohitra tamin’ny teny nifanarahana, namoaka fanambarana ity farany ary nitondra fanazavana mahakasika ny fandaminana rehetra manoloana izany.

Pr RALANDISON Stéphan : navotsotry ny fitsarana ambaratonga voalohany

0
Navotsotry ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina i Professeur RALANDISON Stéphan manoloana ny raharaha nahafatesan’ilay Dr Daniel tao amin’ny hopital CHU Tomasina farany teo. Tsy ampy ny vesatra niampangana ary raha ny nambaran’ny  teo anivon’ny  fitsarana ao Toamasina. 

Lavanila : hotohizana ny fanatsarana ny seha-pihariana

0
Nitondra fanazavana momba ny resabe mahakasika ny seha-pihariana Lavanila amin’izao fotoana ny ny minisitry ny varotra, ny indostria sy ny asa tanana androany. Isan’izany ny mahakasika ny fahasamihafan’ny datim-piotazana izay tsy tokony hiteraka olana manodidina ny seha-pihariana. Misy ny fangatahana manokana azo ataon’ny tantsaha manana lavanila matoy hitoy izany alohan’ny datim-piotazana. Eo ihany koa ny mahakasika ny vidin’ny Lavanila izay namafisin’ny minisitra tomponandraikitra fa mipetraka araka ny tokony ho izy. 

Manjakandriana : tsy voafehy ny fifindran’ny olona avy any amin’ny faritra

0
Manahy mafy ny fiparitahan’ny valan’aretina Coronavirus ny ao Manjakandriana amin’izao fotoana. Antony, tsy voafehy ny fifindran’ireo olona avy any amin’ny faritra Atsinanana hihazo an’Analamanga sy ny faritra hafa. Tsy ampy ny mpanara-maso sy ny mpitandro filaminana ary tsy ampy ihany koa ny fitaovana hampiasaina hoy ny Solombavambahoaka voafidy tao Manjakandriana.  

Vidin-jiro sy rano : tsy niakatra, hoy ny teo anivon’ny JIRAMA

0
Afaka aloa in-5, araky ny efa nampanantenan’ny Filohan’ny Repoblika ny farcture n’ny Jirama izay tonga nandritra izao fahamehana ara-pahasalamana izao, raha ny nambaran’ny teo anivon’ny Jirama androany.  Namafisin’izy ireo fa tsy niakatra ny vidin-jiro sy ny vidin’ny rano.

Fanarenana ny firenena vokatry ny Covid-19 : drafitra 02 lehibe no hapetraka

0
Drafitra 2 lehibe no hapetraky ny fitondram-panjakana hanarenana ny firenena amin’izao krizy vokatry ny valan’aretina Cronavirus izao. Ny « plan multisectoriel d’urgence » sy ny « Plan multisectoriel de relance ». Ho foana afaka volana vitsy ihany koa ny « passif » aloan’ny fanjakana amin’ireo mpandraharaha Solika.

TOAMASINA : nitokona ireo mpianatry ny oniversite

0
Nidina an-dalambe ireo mpianatra izay tavela eny anivon’ny Cite Universitaire tao Barikadimy Toamasina tamin’ity androany ity. Ny fitakiana ny vatsim-pianaran’izy ireo 5 volana sy fangatahan’izy ireo fanampiana vatsy amin’ny fanjakana no anton’ny fihetsiketsehana izay, naharitra ora maromaro. Taorian’ny fidinana ifotony nataon’ny tomponandraikitra, niravona ny olana.

Tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana : laharam-pahamehana ny lafiny sosialy

0
Ny lafiny sosialy no teboka iraisan’ireo solombavambahoaka fa tokony hatao laharam-pahamehana amin’ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana izay handalo tsy ho ela eny amin’ny solombavambahoaka. Tsy tokony ho adino ihany koa ny fahasalamana sy ny fandriam-pahalemana raha ny fanazavana.

Fidiovana mandritry ny fadimbolana : mbola misy ny sakana

0
Tsy ampy ny fampahafantarana ny fiatrehan’ny vehivavy ny fadimbolana eto Madagasikara. Mbola maro ny sakana mipetraka ho azy ireo. Marihana androany 28 Mai  ny andro manerantany ho an’ny fidiovana mandritry ny fadim-bolana.

Sehatra tsy miankina : miandry vahaolana avy amin’ny fitondrana

0
Mangataka ny hahafahana mindram-bola amin’ny tahan’ny zana-bola ambany ireo sehatra tsy miankina na ny secteur privée. Teboka iray tao anatin’ny tolokevitra izay efa nolavin’ny fitondram-panjakana io, araky ny nambaran’ny Filohan’ny fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy androany. Amin’izao fotoana izao, andrasan’ny sehatra tsy miankina ny vahaolana aroson’ny fanjakana, hahafahana manohana azy ireo anatin’izao krizy ateraky ny Covid-19 izao.