Accueil 2017 août

Archives mensuelles: août 2017

Vola sandoka : 20 000 Ariary miisa 59 no tratra tao Sambava 

0
Vola  sandoka 20 000 Ar miisa 59 no saron'ny mpitandron'ny filaminana tany Sambava, herinandro vitsivitsy taorian'ny fanontana ireo vola vaovao. Raha ny eto an-drenivohitra kosa, raha ny fanazavana azo teny anivon'ny zandarimariam-pirenena omaly, hatreto, tsy mbola misy ny tatitra mikasika izany. Isan'ireo lasibatra voalohany ary mailo amin'izany ireo mpivarotra mpamongady.

Loza an-dranomasina  eto Madagasikara  : tsy mbola voafehy

0
Tao anatin'ny 10 taona, miisa 200 mahery ireo olona tsy hita na maty noho ny loza an-dranomasina. Tsy voaporofo mazava io antontan’isa io noho ny tsy fsiain'ny fanadihadiana mifanaraka amin'izany. Olana maromaro no mbola tsy ahafahana mifehy izay trangana loza izay raha ny fanazavana.

Demokrasia: Voasakantsakana ny fanehoan-kevitra eto Madagasikara

0
Endrika maro no isehoan'ny tsy fahafahana maneho hevitra eto Madagasikara raha voalazan'ny mpanao politika iray. Porofon'izany ny tsy fanomezana alalana ireo mikasa hanao fihetsiketsehana na fankalazana samihafa eto an-drenivohitra. Manameloka izany ny SEFAFI tao anatin'ny fanambarana navoakany.

EDITORIAL

0
Avy amin’ny fifidianana hatrany ny olana mitranga eto amin’ny tany sy ny firenena. Manomboka hatrany amin’ny fanoratana ny lisi-pifidianana ny olana, ka hatrany amin’ny valim-pifidianana, ary misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny vahoaka iray manontolo mandritra ny fe-potoana iasan’ny filohampirenena ny voka-dratsin’izany. Miverina indray ny tantara amin’ny fikitihana indray ny lisi-pifidianana tsy nanaovana teny ierana. Ny andinindinin’izany arahinao ato anatin’ny matoandahatsoratr’I Boaza Razanatsoa.

Lozam-pifamoivozana tao Ankazobe : Olana teo amin’ny fiara no namoizana ain’olona 20 mahery

0
Olona maherin'ny 20 no namoy ny ainy, nisy ireo kila tanteraka, am-polony naratra. Izay no vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin'ny sampana tanora Kristiana sy Sampati FJKM synodam-paritany Soavinandriana, faritra Itasy omaly alina. Ny Talata hariva no tonga teny amin'ny HJRA ireo niharam-boina, nihazo an'Itasy ireo razana.

Lisi-pifidianana, Distrika Avaradrano : Naverin’ny CENI nosokafana indray

0
Nosokafan'ny CENI indray ny lisi-pifidianana na dia efa nofaranana tamin'ny fomba ofisialy ny faha-15 ny volana aprily lasa teo, raha tsy ilaza ny zava misy ao amin'ny distrikan'Avaradrano. Fahefana avy amin'ny andinin-dalana aiza no nahafahan'ny CENI nanao izany?

Tsiandopy Jacky Mahafaly : Nisy namono tao an-tranony omaly alina teny Anosiala

0
Maty nisy namono omaly alina tao an-tranony I Tsiandopy Jacky Mahafaly, filohan’ny sendikan’ny inspecteurs d’Etat de Madagascar no minisitra teo aloha. Ny brigade de recherche eo anivon’ny zandarimariam-pirenena no misahana ny fanadihadiana.

Mamy Rakotoarivelo : Nomem-boninahitra tetsy amin’ny Antenimierampirenena

0
Nomem-boninahitra farany tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly maraina ny nofo mangatsiakan'i Mamy Rakotoarivelo, mialohan'ny nitondrana azy teny amin'ny FLM Ambatovinaky, sy nametrahana ny vatana mangatsiaka tany Talata Volonondry.