Archives quotidiennes: 28 mai 2018

Fanotofana tany Ivato : manjaka ny tsindrihazolena atao amin’ny madinika.

0
Mitaraina ireo mponina ao Antsambilo Ivato Aeroport noho ny fanotofana ny tanimbary fiveloman'izy ireo. Tsy misy fifampiresahana, tsy misy fanazavana, avy hatrany dia fanotofana ny tany no miseho ary miasa andro aman'alina izy ireo.

Tolona ho an’ny fanovana : tonga maro ny vahoaka malagasy

0
Tonga maro hatrany teny amin'ny kianjan'ny 13mai nanamafy ny tolona hoan'ny fanovana ny vahoaka malagasy ny sabotsy teo. Tonga nanatevin-daharana ny hetsika ihany koa ireo ben'ny tanàna avy any amin'ny faritra. Mikatso avokoa ireo fandehanan-draharaham-panjakana hoy ny solombavambahoaka ho an'ny fanovana.  

Editorial du 26 mai 2018

0
Nanaitra ny maro, izay no azo anambarana iny fanapahana navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny Zoma hariva teo iny, momba ilay fitoriana napetrak’ireo solombavambahoaka ho an’ny fanovàna ny amin’ny fitakian’izy ireo ny amin’ny tokony hampiatoana ny Filohampirenena RAJAONARIMAMPIANINA Hery noho ny tsy nananganany hatramin’izao ny Fitsarana Avo na ny Haute Cour de Justice araka ny andiany faha-167 ny Lalàmpanorenana.

Coliseum : niharihary ny fitakian’ny vahoaka ny fanovana.

0
Niharihary ny fitakian'ny vahoaka fanovana nandritra ny famorian'ny HVM olona teny amin'ny Coliseum ny sabotsy teo. Na teo aza ny fitaterana sy ny fikaramana olona hanatrika izany tsy nahafeno ny Coliseum akory ny HVM izay nilaza fa haneho ny heriny.