Archives quotidiennes: 7 mai 2018

Edito du 07-05-2018

0
Taorian'ny fanapahana navoakan'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana mikasika ireo volavolan-dalàm-pifidianana, andrasan'ny maro ankehitriny ny fametrahampialan'ny filohan'ny repoblika, izay mitarika ny tsy fetezana isan-tsokajiny eto amin'ny firenena. Fahafahambaraka ho an'ny governemanta sy ho an'ireo solombavambahoaka nandany ireo volavolan-dalàna ireo ny fitsipahan'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenena.

SPAPM – SGM : Hanatanteraka fitokonana manomboka rahampitso

0
Mikasika ny raharaha Houcine Arfa, manahy ny hisian'ny tsindry ny amin'ny famoahana ny didim-pitsarana ny sendikan'ny mpandraharahan'ny Fonja sy ny sendikan'ny mpirakidraharaha araka ny fanambarana navoakan'izy ireo. Hanatanteraka fitokonana fanehoana firaisankina manoloana izany ny mpandraharaha sy ny mpirakidraharahan'ny fonja manomboka androany.

Faritra – Rova Ilafy : Misy maka ny tany

0
Nampiaka-peo ny mponina ao Ilafy, tsy manaiky ny fananganana fotodrafitrasa ao anatin'ny faritra misy ny Rova. Hazo sarobidy maro no efa voatapaka tao amin'io faritra io ankehitriny, ary mbola ahian'ny mponina hitohy hatrany ny fanapahana hazo sy ny fakàna ny tany.