Archives quotidiennes: 24 mai 2018

Tabataba : naneho ny marariny tamin’ny alalan’ny kiririoka isankarazany ny vahoaka.

0
Tao anatin'ny ora iray no nampahafatarin'ny vahoaka ny marariny izay iainany isanandro omaly. Tamin'ny alalan'ny kiririoka , klaxon , sifflet ary ny fanampoahina sarombilany no nanehoana izany. Mijaly ny vahoaka ary mila fiovana hoy ny fanazavana .

RASOAMAROMAKA Hery: Tsy mitombina ny fitoriana azy.

0
Namaly ny fampiantsoana nataon'ny sampandraharaha mpanao fanadihadiana teny amin'ny Toby Ratsimandrava omaly i Hery RASOAMARIMAKA sekretera nasionalin'ny TGV. Tsy mitombina ny fitoriana izay napetraky ny loholona Olivier Rakotovazaha tamin'io tomponandraikitry ny TGV iray io raha ny fanazavana.  

HCC : mbola tsy nahenoan-teny hatramin’izao

0
Mampametram-panontaniana ny maro ny mbola tsy namoahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana hatramin’ny anio, ny fanapahana amin’ny fahitany ny tsy nananganan’ny Filohampirenena ny Fitsarana Avo na ny “Haute Cour de Justice”, 12 volana taorian’ny nanaovany fianianana araka ny andiany faha-167 amin’ny Lalàmpanorenana.

Hetsiky ny solombavambahoa ho an’ny fanovana : hanomboka hiakatra ny maripana rahampitso

0
Taorian'ny sit-in nataon'ireo solombavambahoa ho an'ny fanovana teny amin'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana ny maraina dia niverina teny amin'ny 13 mai izy ireo nitondra ny tatitra . Hiakatra ny maripana amin'ny hetsika ary hisy ny fitoriana ny filohampirenena , ny praiminisitra , ny minisitra maro ho apetrak'izy ireo eny amin'ny fitsarana.