Archives quotidiennes: 25 mai 2018

Coliseum : maro amin’ireo ben’ny tanàna nasaina no tsy hamaly ny antso.

0
Maro amin'ireo ben'ny tanàna nantsoin'ny fitondrana HVM hanatevin-daharana eny amin'ny coliseum ny sabotsy ho avy izao no tsy hamaly ny antso noho ny antony maro samihafa. Fandaniam-potoana izany hoy izy ireo ary fandaniam-bola tokony hanatsarana ny fiainam-bahoaka.

Fikaonandoha iraisam-pirenena IEM : nisokatra taminy fomba ofisialy

0
Haharitra roa andro ny fikaonandoha voalohany iraisam-pirenena amin'ny IEM na ny Initiative pour l'Emergence de Madagascar. Manampahaizana vahiny maro sy Malagasy no hifanakalo hevitra sy traikefa amin'ny izay entina hanavotana an'i Madagasikara . Nanokatra izany omaly ny filohan'ny IEM Rajoelina Andry.

HCC : Mitohy hatrany ny sit-in ataon’ny solombavambahoaka

0
Tahaky ny fataon'ny solombavambahaoka ho an'ny fanovana, tato anatin'ny andro maro, nanao sit'in teo anoloan'ny HCC izy ireo sy ny vahoaka omaly antoandro. Mitaky hatrany ny hamoahan'ny eo anivon' ny HCC ny déchéance.

Tolon’ny fanovana : nitory ny praiminisitra ny solombavambahoaka 73

0
Miroso ny dia ho an'ireo solombavambahoakan'ny fanovana. Nametraka fitoriana teny amin'ny fitsarana izy ireo omaly. Fitoriana izay mikasika ny praiminisitra sy ny fanodikodinam-bola nataony. Taorian'izay nitohy teny amin'ny fitsarana avo momban'ny lalam-panorenana ny dia nitaky ny famoahana ny didy fampitsaharana ny filoha amin'ny asany.