Archives quotidiennes: 16 mai 2018

Mpiasan’ny FOP : mitaky ny fialan’ny minisitra MAHARANTY Jean de Dieu

0
Mikatso tanteraka ny asa eo anivon'ny ministeran'ny asa, nanohy ny fitokonany izy ireo, takian'izy ireo ny fialan'ny Minisitra tomponandraikitra amin'ny asany vao hiverina hiasa izy ireo.

Lycée Moderne Ampefiloha : nikatona nanomboka androany ny fianarana.

0
Nikatona nanomboka omaly ny fianarana eny amin'ny LMA na ny Lycée Moderne Ampefiloha. Nanao fanambarana araka izany ny mpampianatra ary nilaza fa manohana ny fitakiana ho an'ny fanovana iarahana amin'ireo Solombavambahoaka 73.

Hetsika ho an’ny fanovana : Manangasanga ny mpivadika palitao

0
Misy tamin'ireo miaraka amin'ny mpitondra HVM teo aloha no hita manaraka ny tolona tarihin'ny solombavambahoaka ho an'ny fanovana ankehitriny. Hita teny amin'ny kianjan'ny 13 Mai ny minisitry ny serasera sy fifandraisana amin'ny andrimpanjakana teo aloha. Minisitra isan'ny namolavola ny lalàna mifehy ny serasera izay lalàna nolaniana amboletra sy toherin'ny maro.

Hetsika ho an’ny fanovana : Mihamafy hatrany ny tolona

0
Mikatso avokoa amin'izao fotoana izao ny 70% n'ny fandehanandraharaham-panjakana hoy ny solombavambahoaka ho an'ny fanovana. Nivoitra nandritry ny fifandimbiasam-pitenenan'ireo solombavambahoaka ihany koa ireo gaboraraka amin'ny fitantanan'ny fitondram-panjakana ny harem-pirenena.