Archives quotidiennes: 3 mai 2018

Solombavambahoaka ho an’ny fanovana : minisitera maro no nakatona

0
Ministera sy biraom-panjakana maro no nakaton'ny solombavambahoaka ho an'ny fanovana sy ireo vahoaka. Nivoaka nanatevin-daharana ny tolona ireo mpiasam-panjakana, tsy manaiky ny teritery sy ny ramatahora ataon'ireo lehibeny.  

Fitakian’ny solombavambahoaka teny amin’ny HCC : ho fantatra amin’ity herinandro ity ny valiny

0
Ho fantatra amin'ity herinandro ity ny valin'ny requête naterin'ireo solombavambahoaka  ho an'ny fanovana sy ny vahoaka teny anivon'ny fitsarana avo momban'ny lalampanorenana hoy ny tomponandraikitra avy eo amin'ny HCC. Tsy tokony hanaiky ny teritery ireo mpitsara hoy ny fanehon-kevitry ny solombavambahoaka.  

Vondrona Eropeana : Ilaina ny fanarahana ny lalàmpanorenana

0
Tokony anatin'ny fanajana ny lalàmpanorenana hatrany ny fanantanterahana ny fifidianana hoy ny masoivohon'ny vondrona Eropeanina. Zava-dehibe amin'ny hisian'ny fifidianana mangarahara izany raha ny fanazavany.  

Masoivohon’i Afrika Atsimo : tokony ny samy Malagasy no mitady vahaolana

0
Ny Malagasy no tokony manapakevitra amin'ny fifampidinihana eto Madagasikara raha ny voalazan'ny Masoivohon'ny Afrika atsimo. Ho avy eto Madagasikara ihany koa ny iraky ny SADC amin'ny herinandro ambony hanampy amin'ny fitadiavana vahaolana raha ny voalazany hatrany.