Archives quotidiennes: 30 mai 2018

Mpitondra HVM : mandika lalàna hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany

0
Modian’ireo mpitondra HVM sy ireo Solombavambahoaka mpanohana ny fitondrana tsy hay sy adika vilana ilay fanapahana laharana faha-18-HCC/D3 tamin’ny Zoma faha-25 may lasa teo amin’ny fanendrena izay ho Praiminisitry ny governemanta iraisana. Hatrany amboalohany ka hatramin’ny farany dia minia mandika lalàna hatrany ny mpitondra HVM.

Fananganana HCJ : Fitsarana hitanila

0
Tsy azo antoka hamoaka fitsarana tsy mitanila ny firafitry ny fitsarana avo hitsara ny mpanatanteraka na ny haute cours de justice. Izay no nambaran'ny mpahay lalàna sady anatin'ny fahefana mpanao lalàna Hanitra RAZAFIMANANTSOA. Tara loatra ihany koa ny fananganana ity rafitra ity.

Solombavambahoaka 73 : mangataka ny hanonganana ireo solombavambahoaka namadika palitao

0
Nanatitra requête ho fangatahana fanonganana ireo solombavambahoaka namadika palitao teny amin'ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny solombavambahoaka ho an'ny fanovana niaraka tamin'ny vahoaka mpitolona. Ny ampahany ihany anefa no voahatitra omaly noho ny fandaminana.

Praiminisitra Omer BERIZIKY : mitaky ny hanatsarana ny CENI

0
Mitaky ny hampitsaharana ireo mpikambana mandrafitra ny Ceni ny praiminisitra teo aloha Omer Beriziky. Tokony hazava ihany koa ny fitsipi-dalao mandritra ny fifidianana ho tanterahina eto amin'ny firenena raha ny nambarany hisorohana ny fiverimberenan'ny krizy.