Archives quotidiennes: 29 mai 2018

MEN : entana maro no nokasaina navoaka

0
Nisy fitaomana entana omaly maraina teny amin'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena. Raha ny fanavazan'ny solontenan'ny mpampianatra ao amin'ny FM2F, entam-panjakana kasain'ny tomponandraikitra ao amin'ny ministera ho avoaka ireo, saingy nosakanan'ireto fiombonambe ny mpiasan'ny fanabeazana ho an'ny fanazavana ireto. Fanaovana tantely afa-drakotra ny fananam-panjakana hoy izy ireo no kasain'ny tomponandraikitra atao.

Fanendrena Praiminisitra : mazava ny voalazan’ny HCC

0
Mazava ny didy navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana tamin’ny Zoma lasa teo fa ny Antoko na Vondrona politika manana Solombavambahoaka voafidy betsaka indrindra tamin’ny fifidianana Solombavambahoaka farany teo no manendry ny Praiminisitra. Kajikajy politika iniana atao ny ankoatra izay.

Fanendrena ireo mpikambana HCJ : mbola mitohy ny famitaham-bahoaka ataon’ny mpitondra HVM

0
Namoaka didim-panjakana laharana faha-2018-471 manendry ireo mpikambana eo Anivon’ny Fitsarana Avo na ny HCJ ho fantatry ny rehetra omaly, ny serasera eny anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Didim-panjakana izay nampitondraina ny datin’ny Zoma faha-25 may lasa teo. Izany hoe niaraka nivoaka tamin’ny famoahan’ny HCC ny didy fanapahany iny ihany koa. Mbola mitohy hatrany ny famitaham-bahoaka ataon’ny mpitondra HVM.

Tolona ho an’ny fanovàna : efa maro ny fandresena azo, mitohy hatrany ny tolona

0
Tsy misy fifanarahana politika ho atao intsony. Tsy hamaly ny mety ho fanasana ny amin'izany ireo solombavambahoaka ho an’ny fanovàna, hoy solombavambahaokan'i Madagasikara voafidy tao Manandriana. Tsy mijanona ny tolona raha tsy miala ny filohampirenena na maro aza ny fandresena efa azon'ny solombavambahoaka ho an'ny fanovàna.