Archives quotidiennes: 31 mai 2018

Antoko Malagasy Miara- Miainga : « hajao ny didy navoakan’ny HCC »

0
Mitaky ny fanajana ary ny fanatanterahana ny didy navoakan'ny fitsarana avo momban'ny lalampanorenana ny avy amin'ny antoko Malagasy Miara-Miainga. Tsy hijanona ny tolona ho an'ny fanovana hoy izy ireo raha tsy miala ny filohampirenena izay nanitsakitsaka ny lalampanorenana.

Governemanta vaovao : tsy hahitana ireo mpisavika tolona ny tolona tarihin’ny solombavambahoaka 73

0
Tsy hisy ireo mpisavika ny tolona notarihin'ny solombavambahoaaka ho an'ny fanovana ny governemanta vaovao hitsangana eo hoy ny fanehon-kevitr'ireo solombavambahoaka. Tsy olona hanao kolikoly ihany koa fa olona vonona sy mahefa ny asany no hotendrena hoy ireo solombavambahoaka.

Fifidianana mialohan’ny fotoana : tsy maintsy eo anelanelan’ny faha-31 may ka hatramin’ny faha-30 oktobra 2018

0
Tsy maintsy tontosaina amin’ity taona 2018 ity ary mandritra ny fotoan’ny mainandro, ny fifidianana mialoha ny fotoana hifidianana izay ho Filohan’ny Repoblika araka ny didy navoakan’ny HCC tamin’ny Zoma faha-25 may lasa teo. Midika izany fa tsy maintsy hanana Filohampirenena vaovao ny Malagasy amin’ny faha-25 janoary 2019.

Mpitondra HVM : tsy mivonona mihitsy hanara-dalàna

0
Tsy nivonona ary tsy mivonona ny hanara-dalàna hatrany ampiandohana ka hatramin’izao ora farany itantanany ny firenena izao mihitsy ny Filohampirenena amin’ny familiviliana ny voalazan’ny lalàna sy ny fanaovana hosoka amin’ny datin’andro hamoahana didy ary ny fiheverany ny tenany ho ambonin’ny lalàna.