vendredi 03 mai 2024
Accueil 2018 novembre

Archives mensuelles: novembre 2018

MAE : mikasa ny hampody mpiasan’ny ambasady miisa 60

0
Araka ny loharanom-baovao sy antontan-taratasy voarain’ny mpanao gazety eto amin’ny KOLO TV/FM dia mikasa ny hampody mpiasan’ny ambasady Malagasy any ivelany miisa 60 eo ny minisiteran’ny raharaham-bahiny Malagasy. Tranga izay mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao ny antony volana iray mialohan’ny hiovan’ny mpitantana ny firenena izao.

Chenille légionnaire : bibikely mamono ny vokatra katsaka eto Madagasikara

0
Mandrakotra ny faritra 22 eto Madagasikara ny CLA na ny Chenille Légionnaire d’Automne. Bibikely izay mamono ny vokatra eto Madagasikara, indrindra fa ny katsaka. Raha toa ka tsy misy ny fandraisana andraikitra, ahiana handripaka ny vokatra katsaka eto Madagasikara ny chenille légionnaire.

Andry Rajoelina : tsy mitombina ny vokatra navoakan’ny CENI

0
Nivoaka tamin'ny fahanginany ny kandidà Andry Rajoelina io omaly hariva io taorian'ny nivoahan'ny voka-pifidianana vonjimaika. Tsy mitombina ny vokatra navoakan'ny CENI, hoy ity kandidà laharana faha 13 ity. Matoky ny fahendren'ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana anefa ity farany manoloana ny famoahana ny vokatra ofisialy.

Sekolim-panjakana : androany ny fidirana ofisialy

0
Hizara 5 mazava ny fotoam-mpianarana ho an’ny mpianatra eny anvion’ny sekolim-panjakana main’ity taompianarana izay nanomboka omaly ity. Hifarana kosa izany any amin’ny volana aogositra taona 2019. Ho an’ny sekoly nanaovana fanadihadiana androany, nisy ny tsy fahatomombanana teo amin’izay fidiran’ny mpianatra izay

Tranon’ny FJKM eny Faravohitra lasan’ny Ravalomanana Marc : mifanilika ny tomponandraikitry ny FJKM

0
Mifanilika andraikitra ny eo anivon'ny foibe FJKM momba ilay tranon'ny FJKM ampiasain'ny MBS eny Faravohitra. Namidin'ny FJKM tamin'ny filoha teo aloha RAVALOMANANA Marc tamin’ny taona 2008 ity trano ity. Inona no takalony ? Tsy nisy afaka nanome fanazavana momba ny takalony ireo tomponandraikitra eo anivon’ny FJKM nanaovana fanadihadiana tamin'ity androany ity.

Tanin’ny ministeran’ny fambolena eny Ambatobe : namidy tamin’ny vahiny?

0
Namidina tomponandraikitra eo anivon'ny ministeran'ny fambolena tamin'ny vahiny ny toerana fanaovan'ireo mpianatra ho injeniera pratika eny Ambatobe raha ny fijoroana vavolombelona nataon'ny mpiasa. Tamin'ny 2017 no lafo ary hiroso amin'ny fanorenana ireo vahiny raha ny fanazavana.

Ankitsimpo

0
Nivahiny tao amin’ny fandaharana ankitsimpo ny zoma teo teto am kolo tv ny filoha lefitry ny ceni rakotonarivo thierry sy ny mpitarika ny vovonana jery lavitra ho an i madagasikara Rasaony pascal. Nitondrana adihevitra tao anatin’ ny fandaharana ny resabe manoloana ny vokapifidianana, Izay navoakan ny ceni omaly. Mampametra-panontaniana ny mpisehatra ihany koa ny fampiasambolan'ny eo anivon'ny ceni izay voaresaka ny zoma teo. Araho ny fanehoankevitr'ireo vahiny.  

Edito du 17 novembre 2018

0
Tontosa iny ny andraikitry ny CENI. Natolony androany ilay voka-pifidianana Filohampirenena naha be resaka tao anatin’ny andro vitsivitsy. Nandeha am-pamarinana sy nagarahara tokoa ve ny fikarikarina ireo vokatra? Raha izay tokoa no izy, tsy tokony hisy ny fambolena korontana mety hiteraka krizy vaovao hampikizo fara indray ny firenena. Dingana iray ihany izay no tontosa fa ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no tompon-teny farany, ary hamoaka ny vokatra ofisialy fara-fahatarany afaka 9 andro.

Fanakorontanana : nampitandrina ny fianakaviamben’ny mpitandro ny filaminana 

0
Mbola mitohy ny fanakorontanana sy ny tetika maloto ataon’ireo kandidà tsy manaiky mazava ny safidim-bahoaka nandritra ny fifidianana. Nisy tamin’ny farany herinandro iny ny fitokonana nataon’ny mpomba azy ireo manoloana ny foiben-toeran’ny CENI Alarobia. Namafisin’ny fianakaviamben’ny mpitandro ny filaminana ankilany, fa tsy azo handeferina intsony ny fanakorontanana samihafa.

Resultat Ceni

0
Mikasika ny voka-pifidianana navoakan’ny CENI omaly. Ny kandidà Andry Rajoelina no eo amin’ny laharana voalohany tamin’iny fiodinana voalohany iny, manaraka azy i Marc RAVALOMANANA ary eo amin’ny laharana fahatelo ny kandidà Hery Rajaonarimampianina.