vendredi 03 mai 2024
Accueil 2018 novembre

Archives mensuelles: novembre 2018

Logiciel nampiasaina tamin’ny fifidianana : tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny PNUD?

0
Nambaran'ny solontena maharitry ny PNUD eto Madagasikara, KAKYOMYA Violette fa tsy nanome fankatoavana ilay logiciel nampiasain'ny Ceni ny PNUD. Voafetra amin'ny fanampiana ara-teknika sy ara-bola ihany ny andraikitr'izy ireo.

Trano fonenan’i Mbola RAJAONAH : nosavain’ny BIANCO androany

0
Taorian'ny fanadihadiana nataon'ny Bianco an'i Mbola Rajaonah ny Alatsinainy faha-19 novambra sy ny Talata faha-20 novambra lasa teo dia nosavaina ny tranony omlay. Tsy nisy nipiaka ny resaka hatreto ary tsy nanome fanazavana ny avy amin'ny Bianco.

Fanorenana tsy ara-dalàna : manjaka eto Antananarivo Renivohitra

0
Manjaka eto Antananarivo renivohitra ny fanorenana tsy ara-dalàna. Miorina eraky ny trottoir ny toerana natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra ny trano isan-karazany. Raha ny fanadihadiana natao, ny kaominina Antananarivo renivohitra no manome alalana an’ireo fanorenana tsy ara-dalàna ireo.

Faritra Androy : tsy nisy nifidy ny HVM raha tsy nisy ny fanerena sy ny fanambazana vola

0
Tsy nisy nifidy ary tsy nahazo ny salan'isa 8 % ny HVM tao Ambovombe Androy raha tsy nisy ny fanerena sy ny fanambazana vola nataon'ny Solombavambahoaka Milavonjy Philobert tany an-toerana. Ireto farany izay nanantena fa hahazo salan'isa ambony ny HVM amin'ny maha teo amin'ny fitondrana azy.

Kaominina Jafaro – Ambovombe Androy : notambazana 2 hetsy Ariary, izay nampandany ny HVM

0
Ny ampahany amin'ny zava-nitranga tao amin'ny Kaominina Jafaro nandritra ny fifidianana ho hiloham-pirenena, ny faha 7 ny volana Novambra lasa teo no harahinao ato anatin'ity fanadihadiana manaraka ity. Ny Kaominina Jafaro izay nahitana fanambazana vola sy hala-bato goavana niainga avy any amin'ny lisi-pifidianana.

Tonga eny amin’ny Antenimierampirenena : taratasy fitoriana mpitondra ambony avy amin’ny HCJ

0
Taratasy fitoriana mpitondra ambony miisa 3 ( Filohampirenena teo aloha miisa 2 sy Praiminisitra teo aloha iray) avy amin’ny HCJ na Haute Cour de justice no tonga eny amin’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena, antony izay tsy maintsy nananganana ny « Commission d’enquêtes » sy « Commission de requêtes » afak’omaly.

Kitrotro : tokony atao vakisiny ny zaza ho fisorohana

0
Ny tsy fanaovana ny vakisiny eo amin’ny faha 9 volan’ny zaza iray. Antony voalohany mamparefo azy ary ahazoany ny aretina kitrotro. Nanamafy androany ny mpitsabo fa ireo rehetra efa vita vakisiny dia tsy tokony ho voan’ny kitrotro intsony . Tsy fantatra mazava hatreto ny isan’ireo matin’ny kitrotro raha ny fanadihadiana natao teny amin’ny minisiteran’ny fahasalamana.

Fikasana hampody mpiasan’ny ambasady : maro no manahy ny mety ho hambadik’izay

0
Ahiana ho misy ambadika hafa ny fikasana hampodiana ireo mpiasan’ny ambasady Malagasy any ivelany miisa 60, araka ny fanehoan-kevitry ny manampahaizana momban’ny fifandraisana iraisam-pirenena. Afaka mitsipaka io mandritry ny filankevitry ny minisitra ny praiminisitra.

Faritra Androy : noterena hifidy HVM ny mponina

0
Noterena hifidy HVM ny mponina amin'ny Kaominina maro tao Ambovombe Androy. Ny Solombavambahoaka Milavonjy Philobert no nitety Birao fandatsaham-bato araka izay tratra ka nizara vola sy nanery azy ireo hifidy ny kandida laharana faha 12 nandritra ny fifidianana ny faha 7 ny volana Novambra lasa teo. Nijoro vavolombelona ny mponina any an-toerana mitantara ny zava-niseho.

CUA-SAMVA : iray ihany, samy tsy mandray andraikitra

0
Ny ben’ny tanàna amperinasa no filohan’ny filakevim-pitantan’ny samva. Ny samva izay miandraikitra ny fanalana ny fako eto Antananarivo renivohitra. Fanadiovan-tena sy fialana andraikitra araka izany no ataon’ny ben’ny tanàna, sy ny eo anivon’ny samva izay samy avy amin’ny antoko politika iray.