Accueil 2018 novembre

Archives mensuelles: novembre 2018

Fifidianana filohampirenena 2018: betsaka ny fiofoana loko politika

0
Isan’ny nisongadina tamin’ity fifidianana filohampirenena taona 2018 ity ny fiovana fironana na fiofoana loko politika. Maro tamin’ireo no niara-dia tamin’ny fitondrana sy antoko HVM. Niova nanaraka ny Mapar noho ny fahitana mialoha fa isan’ny ho favori ny kandida Andry Rajoelina. Ny antsipirihin’izay arahinao anatin’ity fanadihadina ity.

IST – Mbola RAJAONAH : fanondranana Andramena sy fanaparam-pahefana no antony

0
Torian’ny namoahan’ny fanjakana IST na Interdiction de sortie du territoire an’i Mbola RAJAONAH na i Mbola Tafaray omaly dia fantatra ankehitriny fa resaka fanondranana an-tsokosoko Andramena sy fanamparam-pahefana amin’ny famoahana entana tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina no hanenjehana ity mpanolotsain’ny Filoha teo aloha RAJAONARIMAMPIANINA Hery mivady ity.

Ambohidratrimo : nahitana grenady tamin’ny kesika

0
Nahitana grenady tamin'ny kesika teny Ambohidratrimo ny maraina teo. Ora fito taty aorian'ny fahitana izany, tsy tonga teny an -toerana ny tomponandraika izay voalaza fa nitondra ny fitaovana hanapoaka izany.

RAJAONAH Mbola na Mbola Tafaray : namoahana IST

0
Namoahana IST na Interdiction de Sortie du territoire androany Talata faha-13 novambra 2018 i Mbola Rajaonah na i Mbola Tafaray, mpanolontsaina manokan’ny Filoha teo aloha RAJAONARIMAMPIANINA Hery mivady. Voaporofo izao fa mikorontana sy miady an-trano ny samy HVM.

Fifidianana Filohampirenena farany teo : misy mitady hevitra handrava

0
Mampiantso ireo olompirenena lazainy fa very zo nandritra iny fifidianana Filohampirenena farany teo iny hampiray feo ireo kandidà vitsivitsy nahazo isam-bato ambany dia ambany tamin’iny fifidianana iny, taorian’ny nametrahan’izy ireo fangatahana « disqualification » ny kandidà laharana faha-13 teny amin’ny HCC. Fihetsika ambaran’ny mpanara-baovao ho fitadiavana handrava efa sy tsy fahazakana faharesena.

Famaizana orinasa afaka haba – Ankadimbahoaka : maherin’ny 1 800 no very asa

0
Orinasa afaka haba iray etsy Ankadimbahoaka no kilan’ny afo tanteraka omaly alina. Ankoatry ny fahasimbana ara-materialy, mpiasa manodidina ny 1 800 no very asa noho io famaizana io.

Factuel QG

0
Tamin'ity androany ity, nisy ny fihaonana mangingina nataon'ireo mpikambana eo anivon'ny antoko HVM tetsy amin'ny QG Andraharo, izay nahitana ireo minisitra amperinasa, ny tompon'andraikitra ambony sy ireo ben'ny Tanàna. Niharan’ny teritery sy sakantsakana ary notazomina tao anatin’ny foiben-toerana ity moa ireo mpanao gazety teto amin’ny kolotv rehefa nanatanteraka ny asany teny an-toerana tamin’io fotoana io.

Resultats Viva

0
Maro amin'ireo mpifidy any amin'ny faritra no mitaraina amin'izao fotoana noho ny faharetan'ny fivoahan'ny vokatra avy eny amin'ny CENI. Izy ireo izay efa mahita fa mandresy ny Kandida laharana faha 13. Indreto arak'izany ny vokatra vonjimaika avy amin'ny SRMV sy ny Foiben-toeran'ny Kandida, niainga avy amin'ny PV nalefan'ireo mpanara-maso ny fifidianana isaky ny faritra.

Andranotapahana : mitohy ny hetsika fanoherana ataon’ireo mponina

0
Nanatanteraka fihetsiketsehana fanoherana nyfandravana sy ny famotehana ny fananany ny vahoakan’Andranotapahana ny sy manodidina, manoloana ny fanamboarana ny lalana miainga avy eny amin'ny sampanana Ambohitrimanjaka mihazo an'Ivato Aéroport.

Fikambanana Tous Ensemble pour Madagascar : miantso ny vahoaka Malagasy ho tony

0
Vonona hanampy amin'ny fanatontosana ny IEM, an'i kandidà Andry Rajoelina ny diaspora Malagasy mivondrona anatin'ny fikambanana Tous Ensemble pour Madagascar. Miantso ny vahoaka Malagasy ho tony eo am-piandrasana ny vokam-pifidianana vonjimaika avy amin'ny CENI ihany koa ny TEM.