Accueil 2018 novembre

Archives mensuelles: novembre 2018

EDITO du 10 novembre

0
Vita iny ny fifidianana filohampirena fihodinana voalohany. Fifidianana filohampirenena faharoan’ny Repoblika faha-efatra. Nisy ireo lesoka tena madilana ho tentenina tamin’ny lisi-pifidianana sy ny kara-pifidiana. Na izany aza tsy dia hisy vokany ratsy ho an’ilay fandrotsaham-bato ireo lesoka ireo, hoy ny mpanara-maso iraisam-pirenena. Mitarazoka tsy araka ny nampitaovana azy ireo fitaovana hiaka farany sy ireo volabe tamin’ny sobika ny voka-pifidianana atolotry ny CENI etsy Alarobia.

Antananarivo : tsy misy fandraisana andraikitra manoloana ny fiparitahan’ny fako

0
Tsy mandray andraikitra ireo misahana ny fanadiovana eto andrenivohitra hoy ny ankamaroan’ny mponina manoloana ny fivangonan’ny fako etsy sy eroa. Ny tsy fahampian’ny fiara be fitaterana fako no miteraka io olana io hoy ny teo anivon’ny RF2.

Fifidianana : ho entitra ny fanarahamaso ny vokatra hoy ny CENI

0
Ho hentitra ny fikirakirana ny voka-pifidianana hoy ny teo anivon’ny CENI. Tanjona nyh ahazoana voka-pifidianana marina sy ho eken’ny rehetra raha ny fanazavana.

Andro 1 mialohan’ny fifidianana : mitohy hatrany ny filaharana haka ny kara-pifidianana

0
1 andro mialohan'ny fifidianana, mitohy hatrany ny filaharana haka ny kara-pifidianana eny anivon'ny fokontany. Tsy maintsy nisokatra tamin'ny 5 ora maraina ny fokontany sasany ary tsy mikatona raha tsy amin'ny 8 na amin'ny 9 ora alina. Na eo aza anefa izany rehetra izany, vonona hiatrika fifidianana ny vahoaka Malagasy.

Sambo mihaodihaody any Mananara Avaratra : tsy mbola misy fandraisana andraikitra

0
Nilaza ny handray fepetra ny fiadidiana ny primatiora manoloana ny fisiana sambo mihaodihaody efa ho andro maromaro izao any amin’ny sisi-dranomasin’i Mananara Avaratra Faritra Analanjirofo.  Andrasana kosa ny fandraisana andraikitr'ireo tomponandraikitra isan-tokony: OMC, faritra, distrika, ny Bianco ao Analanjirofo.

6 novambra 1995 – 6 novambra 2018 : 23 taona katroka androany ny nandorana ny Rova

0
Feno 23 taona androany ny daty nandorana ny Rova. Mbola manjavozavo tanteraka hatramin’izao ny tohin’ny fanadihadiana sy ny tomponan’antoka tamin’io fandorana io araka ny nambaran’ny mpikaroka ara-tantara nandritry ny fampiratiana teny amin’ny IKM androany.  

Rovan’Ilafy : hanorenana trano fivoahana manakaiky ny fasan’andriana

0
Tsy eken’ireo mponina manodidina sy mpiaro ny rovan’Ilafy ny fanorenana trano fivoahana manakaiky ny fasan’andriana ao anaty faritry ny rova. Tetikasa izay voalaza fa an’ny minsiteran’ny kolontsaina. Ity toerana ity nefa izay voasokajy ho faritra arovana.

Taratasin-tany : antoka hampandrosoana ny toekarena sy ny fari-piainan’ny tsirairay.

0
Ady tany no mameno ny 50 hatramin'ny 60 % ny raharaha eny amin'ny fitsarana indrindra ny any amin'ny faritra. Ady tany ihany koa no mampirongatra ny famonoana olona, ny fanafihan-dahalo, sy ny maro hafa. Dingana iray hahafahana mampihena ny tahan'ny ady tany ny fampahafantarana ny mponina ny lalàna mifehy ny fananan-tany sy ny fanasaziana ireo mpibodo tanin'olona

Daewoo Logistics Corporation : tany mirefy 1 330 085 Ha no nomena azy tamin’ny 2008

0
Maro ireo ambara ho « Grand Dossier » miparitaka ankehitriny amin’izao vanim-potoan’ny fifidianana Filohampirenena izao. Isan’izany ny famarotana sy fanomezana tany ny MADAGASCAR FUTURE ENTREPRISES, izay fantatry ny maro amin’ny hoe : « DAEWOO LOGISTCS CORPORATION », izay nahatratra hatrany amin’ny DIMY AMBY VALOPOLO SY TELO ALINA SY TELO HETSY SY IRAY TAPITRISA Hektara (1 330 085 Ha) tamin’ny taona 2008.

Lalana Tsarasaotra Ivato : vola be no lany tamin’ny fanamboarana izany

0
Notokanana fanindroany androany ny lalalana Tsarasaotra – Ivato. Lalana izay mirefy 11 km. Lalana izay tsy mifanaraka amin’ny totalin’ny volabe notrosaina ny kalitaony. Lalana ihany koa izay atao fitaovana politika mandraka androany.