Accueil 2019 février

Archives mensuelles: février 2019

JIRAMA sy ny Orinasa mpamatsy herinaratra : tsy maintsy miova ny fifanarahana

0
Tsy maintsy ho vitaina amin'ny herinandro ambony ny fifanarahana vaovao eo amin'ny ministera sy ireo orinasa mpamatsy herinaratra, hoy ny Praiminisitra nandritra ny fitsidihana nataony teny Ambohimanambola androany. Tsy ekena intsony ny hividianana herinaratra izay tsy nampiasaina akory.

Fanadiovana ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena : zandary maro no naiditra am-ponja

0
Raharaha mahavoasaringotra zandary maro no ahazoana fitarainana eny amin’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka tato anatin’ny herinandro maro. Mitohy manoloana io ny fampiharana ilay hoe “Tolerance zero” na ny tsy fisian’ny fandeferana. Taorian’ny fanadihadiana natao, manodidina ny 10 ireo zandary naiditra am-ponja vonjimaika hatramin’izao.

Ala Mikea : hentitra ny fepetra raisina amin’ny fiarovana

0
Fifanomeza-tanana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana no fehezanteny nentin’ny Minisitra Alendre Georget nandresen-dahatra ny mponina mipetraka manodidina ny ala mikea. 8 metatra toradroa isa-minitra ny velaran-tany may isanandro ao anat'ity ala mikea ity nandritra ny taona 2018 noho ny tsindry avy amin’ny doro-tanety. Ho hentitra ny fepetra raisina akoatry ny efa nisy hatramin'izay hoy ny minisitra.

Ady amin’ny kolikoly : laharapahamehana ao anatin’ny politikam-panjakana

0
Manoloana ny tatitra nivoaka ny herinandro teo mikasika ny kolikoly eto Madagasikara, nanamafy ny minisitry ny fitsarana fa efa isany laharapahamehana ao anatin’ny politikam-panjakana izany . Etsy ankilany, hojerena manokana raha ny fanazavana ny fanasaziana ireo lohandohany amin’ny fanondranana harena an-kibon’ny tany an-tsokosoko.

HERY NIRINA Tendry Elie sy VONJY NOMENJANAHARY Fabrice Elina : niakatra teto an-drenivohitra naka ny loka

0
Mikasika ny lalaon’ny fetin’ny mpifankatia kosa indray, omaly no tonga naka ny lokan’izy ireo ilay mpifankatia nandresy tamin’ny lalao nokarakarain’ny Kolotv/fm. Afa-po izy roa kely araka ny tafatafa natao tamin’izy ireo.

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara : saika nahazoana vokatra avokoa ny faritra rehetra

0
Fahatratrarana mpitandro ny filaminana ahiana amin'ny raharaha kolikoly, fisamborana ireo tomponantoka amin'ny asa fakana an-keriny, fahatratrarana basy sy jilolahy maro isan-karazany; ireo no isan'ny nanamarika ny vokatry ny ady amin'ny tsy fandriampahalemana tao anatin'ny 3 herinandro ho an'ny volana febroary teto Madagasikara raha ny tatitry ny polisim-pirenena. Hetsika izay mitohy hatrany ho fanatanterahana ny politikam-panjakana hiadiana amin'ny tsy fandriampahalemana.

Tanim-panjakana namidy : handraisanan’ny fitondram-panjakana fepetra hentitra

0
Nisy ny olontsotra nanao hetsika androany tetsy Antaninarenina, manohitra ny famarotana ny zaridaina. Efa mandeha ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity hoy ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy, nandritry ny fahatongavany teny an-toerana. Nanamafy ny tenany fa tsy ekena io famarotana io, ary fepetra maro no ho raisin’ny fitondram-panjakana, manoloana ireo tranga famarotana ny tanin’ny kaominina rehetra. Fanadihadiana.

Edito du 23 février 2019

0
Herinandro nanakarem-baovao ity herinandro hifarana ity. Herinandro nahafahana nitaratra ihany koa fa haingam-pandeha tokoa ny Fitondrana ankehitriny. Tapitra hatreo ny andraso andraso sy ny filazana ity Nosy ity ho « au pays de moramora ». Fehezanteny mifono fandrabirabiana fampiasan’ny vahiny manoloana ny tsy fisian’ny fandraisana andraikitra haingana sy ara-potoana nataon’ny mpitondra hatrizay manoloana ny tsy fisian’ny fampandrosoana sy ny fahantrana lalina mahazo ny firenena.

Tohadrano Fiherenana-Toliara : tokony hisy ny fanamboarana, hoy ny mponina

0
Ahiana ny hivakisan’ny tohadranon’i Fiherenana, any Toliara, araka ny nambaran’ny lehiben’ny sampandraharaha misahana ny fanajariana ny tanàna ao an-drenivohitr’i Toliara. Nanamafy ny tokony hisian’ny fanamboarana izany ity farany.

Jeneraly miisa 62 : natao teo ambany Faneva

0
Naseho ambany faneva omaly ireo Jeneraly miisa 62 nahazo ny laharam-boninahitra Général de Brigade sy Général de division tamin'ny taona 2018 lasa iny. Izy ireo izay nofantenana manokana araky ny adidy sy andraikitra nosahaniny avy.