dimanche 19 mai 2024

Archives mensuelles: mai 2020

ANTENIMIERAMPIRENENA : mitaky ny fanjakana Frantsay hidinika an-databatra boribory

0
Androany no nanao ny fanambarana ofisialy amin’ny fanohanana ny foto-kevitry ny fanjakana malagasy amin’ny fitsipahana ny vinan’ny governemanta frantsay hamadika ny Nosy sambatra ho tahirin-javaboahary ny Antenimierampirenena. Ankoatran’ny antso amin’ny fiverenana midinika an-databatra boribory, mangataka ny fanelanelanana ataon’ireo vondrona regionaly toy ny SADEC sy ny firaisambe Afrikana ihany koa ny Antenimierampirenena.

Tazomoka – Androy : misokatra ny fanadihadiana ho an’ireo mpanely tsaho

0
Misokatra ny fanadihadiana ho an’ireo mpanely tsaho, izay milaza fa tsy mahasitrana Tazomoka akory ny fanafody omen’ny fanjakana, hoy ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ao Ambovombe Androy. Efa fantatra ny tompon’antoka amin’izany eny anivon’ny tambazotran-tserasera hoy hatrany ny zandary.

Mpitatitra – Zotra nasionaly : manome 24 ora ny tomponandraiki-panjakana

0
Manome 24 ora ny tomponandraiki-panjakana hijerena manokana ny momba azy ireo ny mpitatitra amin’ny zotra nasionaly miainga eo amin’ny Gare Routère Maki ho any amin’ny faritra. Tateraho ny fampanantenana nomena hahafahana miatrika izao ady amin’ny COVID 19 izao hoy izy ireo. Aorian’ny 24 ora, hiroso amin’ny endrika fitakiana hafa izy ireo raha tsy misy valiny.

Tsaradia : hanomboka ny “ vol tout –cargo “

0
Sempotra ny orinasa tsy ankanavaka vokatry ny fipariahan’ny coronavirus. Isan’izany ny kaompaniam-pitaterana Tsaradia izay mifamatotra amin’ny Air Madagascar. Nanomboka ny 24 Martsa teo, manodidina ny 3 tapitrisa dolara ny fatiantoka ho azy ireo . Manoloana izany, enti-manarina tsikelikely ny orinasa sy fanohizana ny fampiodinana ny toekarena, hiompana amin’ny vol tout - cargo izy ireo manomboka ny Alahady izao.

Antenimierampirenena : hijoro amin’ny fitakiana ireo Nosy Malagasy

0
Hanohana ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara amin’ny fitakiana ireo Nosy Malagasy aty amin’ny Ranomasimbe Indianina ny Antenimierampirenena. Izay no nivoitra nandritra ny fivorian’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena androany. Isany tsy azo ekena ary mifanipaka amin’ny fifanarahan’ny firenena 2 tonta ny famoahan’ny fanjakana Frantsay ny didim-pitondrana milaza ny hamadihana ny Nosy sambatra ho « réserve naturelle » an’i La Frantsa.

Antsirabe : fiara mpitatitra entana iray no sarona nitondra olona avy any Toamasina

0
Fiara lehibe iray mpitantitra entana avy any toamasina no nitondra olona nakany Antsiraberenivohitra ka tratehakin’ny Zandarimariam-pirenena avy eo anivon’ny Centre operationnel covid-19 Vakinakaratra taorian’ny fikaroahana natao.

Vidin-tsolika : tsy mbola fantatra na hidina na tsia

0
Mitohy ny dinika eo amin’ireo tomponandraiki-panjakana sy ny Office malgache des hydrocarbures mikasika ny fampidinana na tsia ny vidin-solika. Tsy mbola voafaritra arak’izany ny fotoana mety hidinana na tsia ny vidin-tsolika eto Madagasikara raha ny fanazavana azo androany.

JIRAMA Port-Bergé : vola mitentina 170 tapitrisa Ariary voahodikodina

0
Vola mitentina 170 tapitrisa ariary no vola voahodikodina tao amn’ny Jirama tao Port-bergé raha ny fampitam-baovao navokan’ny tao amin’y foibe ny Jirama. Efa nisy ny fanadihadina natao ka mpiasa ao anivon’ny orinasa ihany no atidoha nikotrika izany.

MAHAJANGA : nihena ny isan’ireo olona voan’ny Dengue

0
Nihena 169 ny isan’ny olona tratry ny valan’aretina Dengue ao Mahajanga, tato anatin’ny herinandro, raha oharina ny isa teo aloha, araky ny tatitra farany. Ny fanantonan’ny mponina eny amin’ny tobim-pahasalamana no anton’io raha ny fanazavana. Vitsy ihany koa no tonga amin’ny stade dengue hémorragique izay mahery kokoa noho ity tazo maherivaika ity.

Ambohimahitsy : narodana ny trano fampiasan’i LAMA sy ny namany

0
Narodana ny trano namboarin’i LAMA sy ny namany hitazonana ireo teratany vahiny alainy an-keriny tetsy Manakasina Ambohimahitsy. Ankoatry ny maha toerana fampiasan’ny jiolahy azy, tsy misy taratasy fahazoan-dalana hanorina ary mbola manana raharaha eny amin’ny Fitsarana ny tany.