Archives mensuelles: mai 2020

Asa fijinjana vary : mampiditra hatrany amin’ny 15 000 Ariary isan’andro

0
Mampiditra hatramin’ny 15 000 Ariary isan’andro no olona iray mijinja vary amin’izao fotoanan’ny fararano izany. Misy mandavan-taona ny asa fikaramana eny an-tanim-boly raha ny fanazavan’izy ireo ary mahavelona ny ankohonana ny vola azo.

Kaompania Tsaradia : nanomboka androany ny « vol tout –cargo »

0
Niainga maraina teo ny fiaramanidina manao ny Vol tout Cargo tontosain’ny TSARADIA. Entana milanja 3,5 T an’ny mpandraharaha miisa 43 no nalefa any SAMBAVA ary misy entana milanja 4 T ho entina eto Antananarivo avy any SAMBAVA. Faniriana ny hisokafan’ny lanitra Malagasy, hoy ny Tale jeneralin’ny TSARADIA. 

Fianakaviana Zoto : nigadona tao amin’ny kaominina Mahitsy ny hariva teo

0
Rahampitso no hanohy ny diany hiazo an’i Mahajanga ny fianakaviana zoto raha ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety androany. Niavaka ny fandraisan’ny mponina teto Antananarivo azy ireo raha ny fanazavana.

Kianja Masoandro : entina hampahafantarana ny tantara

0
Miteraka resabe ao amin’ny tambazotran-tserasera ny fisian’ny fanorenana lehibe ao anatin’ny Rovan’Antananarivo, na ny lapan’i Manjakamiadana. Amin’ny ankapobeny, mizarazara ny hevitr’ireo maneho hevitra ao amin’ny facebook, misy ireo mitsikera izany, ary misy ireo milaza fa tsy mampiova ny hasin’ny Rova ny fanamboarana atao. Tsy eto Madagasikara ihany, efa fanao any amin’ny firenena maro ny fanavaozana rova tahak’izao, raha ny zava-misy maneran-tany no jerena. 

Fehin-kevitry ny ONU : tsy manan-kery ny didim-pitondrana Frantsay momba ny Nosy Malagasy

0
Tsy azo hivalozana ny fehin-kevitry ny firenena mikambana mahakasika ireo nosy malagasy ary tsy maintsy tanterahina. Noho izany tsy manan-kery ny didim-pitondrana noraisin’ny governemanta frantsay mahakasika ny nosy sambatra na îles glorieuses. Mety hiteraka sazy eo amin’ny lafiny toe-karena sy diplaomasia ho an’i Frantsa ny tsy fanatanterahana izany.

OMS : hanohana ny fanaovana andrana ny Covid Organics

0
Hanohana an’i Madagasikara amin’ny fanaovana ny andrana ny tambavy covid organics ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana ary hanao sonia ny fifanarahana hitazomana ny tsiambaratelon’ny singa nanamboarana izany. Ireo no nivoitra nandritra ny resaka nifanaovan’ny Filoha Andry RAJOELINA tamin’ny tale jeneralin’ity sampandraharaha ity. Ankoatra izay, voafidy ho isan’ny handrafitra ny filankevitra mpanatanteraky ny OMS hatramin’ny taona 2023 ihany koa i Madagasikara.

ANTENIMIERANDOHOLONA : hitondra fanatsarana maro ny lalàna mifehy ny fiantohana

0
Lany teny anivon’ny Antenimierandoholona tamin’ity herinandro ity ny Lalàna mifehy ny fiantohana eto Madagasikara. Maro ny teboka nitondran’ny Loholon’i Madagasikara fanovana ka isan’izany ny rafitra hisahana ny fanarahamaso ny asa manodidina ny sehatry ny fiantohana.  Maro ihany koa ny tolotra vaovao ho sitrahan’ny vahoaka malagasy manombok’izao, hoy ny fanazavana.

« Ascension » : mitaky fitondran-tena mendrika amin’ny mpino Kristianina

0
Ho an’ny mpino kristianina, marihina androany 21 Mai ny andro niakaran’i Jesosy Kristy velona tany an-danitra na ny “Ascension”. Ho an’ireo fiangonana sasan-tsasany, nisy ny fotoam-pivavahana. Amin’ny ankapobeny, raha ny fanazavan’ny mpitandrina nanaovana fanadihadiana, fehin-kevitry ny andro fiakarana ny fahatahorana an’Andriamanitra.

Covid-19 : teratany Frantsay 180 no tokony hody maika any Frantsa

0
Rahampitso 21 Mai no hanantanteraka sidina manokana hitondra frantsay sy eropeana hody any Frantsa i Air France. Amin’ireo frantsay sy eroepana 1500 nisoratra anarana, 180 amin’izany no voasokajy ho olona mila mody maika.

Minisiteran’ny mponina : natao fitiliana avokoa ireo mpiasa rehetra

0
Natao fitiliana avokoa ireo mpiasa rehetra eo anivon’ny minisiteran’ny mponina tamin’ity androany ity ahafantarana na misy voan’ny Coronavirus na tsia. Miandry ny valin’ny fitiliana ankehitriny hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisitera.