vendredi 03 mai 2024
Accueil 2023 avril

Archives mensuelles: avril 2023

OMDA : voatendry ho tale vaovao i RARIVOJAONA Joelinirina Nomenasao

0
Voatendry ho tale jeneraly vaovao eo anivon’ny OMDA ankehitriny i RARIVOJAONA Joelinirina Nomenasoa raha ny tatitry ny filankevitry ny minisitra omaly. Andrasana ankehitriny ny famahana ny olana ny amin’ny fandoavana ny vola ho an’ireo mpanakanto izay niato nandritran’ny herintaona mahery eo anivon’ny OMDA raha ny nambaran’ny mpanakanto Samoela. Eo koa ny fanohizana ny fandaniana ny Tolo-dalàna momba ny zon’ny mpamorona eny anivon’ny Antenimierandoholona.

Pr RATSIMBAZAFY Jonah : leo kabary ambony latabatra ataon’ny mpitondra fanjakana

0
Lamandy 40 000 Ariary sy sazy mihatona herintaona no azon’ilay mpihaza sy mpamono varika tany amin’ny distrikan’i Maroantsetra araka ny didy navoakan’ny fitsarana tany an-toerana. Tranga izay maneho ny tsy fahavononan’ny mpitondra hiaro ny tontolo iainana hoy ny filohan’ny GERP, Pr RATSIMBAZAFY Jonah androany, ka andraisany ny minisiteran’ny tontolo iainana ho mpiray tsikombakomba raha mitazam-potsiny ity raharaha ity.

PIF TIC – CNFPPSH : tanora miisa 119 nisitraka fiofanana mikasika ny TIC

0
Tanora miisa 119 ankehitriny ny nahavita fiofanana mikasika ny TIC na ny Technologies de l'information et de la communication teo anivon’ny toeram-pampiofanana CNFPPSH Ampandrinomby. Tanjona amin’izany ny fampitomboana fahalalana sy traikefa ho an’ireo tanora hiditra eo amin’ny sehatry ny asa amin’ny alalan’ny teknolojia.

Fanjakana Malagasy :  manitsakitsaka ny fifanarahana iraisam-pirenena hoy ny Randrana Sendikaly

0
Manitsakitsaka ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny asa ny Fanjakana Malagasy hoy ny Randrana Sendikaly raha nitaky ny hamoahana ny naman'izy ireo izay naiditra am-ponja noho ny tolona ara-tsendikaly nataony. Fanampin'izay, misy tsy mazava hoy izy ireo ny famonjana io mpitolona Sendikaly io ka angatahana fandraisana fepetra noho ilay raharaha hanala baraka ny Firenena Malagasy eo imason'izao tontolo izao.

Filoham-pirenena – SAVA : tsy namaha ny olan’ny lavanila ihany no anton-diany

0
Nidina tany amin’ny faritra SAVA androany ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA. Raha hamaha ny olan’ny seha-pihariana lavanila no anton-dia, hetsika politika no hita araka ny horonantsary miparitaka amin’ny tambazotran-tserasera, ary nisongadina ny logo volomboasary nandritra ny fotoana.

Observatoire de la jeunesse: trangana famonoan-tena 15 no hita tao anatin’ny iray volana

0
Maro ny antony mahatonga ny tanora miroso amin’ny famonoana tena. Anton’izany ny olana sedrain’izy ireo eo amin’ny fianakaviana na eo amin’ny fitiavana. Ahitana tranga famonoana tena betsaka indrindra ny faritra telo eto Madagasikara, anatin’izany ny faritra Analamanga, Amoron’i Mania ary Analajirofo.

Droit de sortie : ilaina ny fifanantonan’ny mpisehatra rehetra

0
Tsy araka ny tokony ho izy ny « valeur » nambaran’ireo mpanondrana harena an-kibon’ny tany, antony nametrahana ny « droit de sortie » hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny fadintseranana androany. « Valeur de référence » nifanarahan’ny mpandraharaha sy ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany no ampiasaina ankehitriny hoy ny SYNPROMINE – Mad, ka tsy mitombona io fanazavana io. 

BRICS : mitombo ireo firenena maniry ny hiditra ho mpikambana

0
Mitombo isa ankehitriny ireo firenena maniry ny hiditra ho mpikambana anatin’ny BRICS, izay nahorin’ny Brésil, Russie, Inde, Chine ary Afrique du Sud eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny BRICS izay namorona ny Nouvelle banque de développement ho fanatanterahina ny asam-pampandrosoana amin’ny alalan’ny famatsiam-bola ho an’ireo firenena mpikambana ao aminy. Tombony ho an’ny Madagasikara ny ahafahana misokatra amin’ireo firenena sy vondrona hafa toan’ny BRICS ahafahana manatanteraka ireo asa fampandrosoana raha ny nambaran’ny mpahay toekarena.

Hafatry ny Fiangonana : nifantoka tamin’ny raharaham-pirenena

0
Saika nifantoka tamin’ny fiainam-pirenena indrinra ny fifidianana ny hafatra nentin’ireo mpitondra fiangonana nandritra ny fetin’ny paska. Hafatra izay mifono hevidehibe ary  fampatsiahivina ireo mpino ny fiainana maha kirisitianina. Namafisin’ireo mpitonda fiangonana fa « tsy ny ratsy no tompon’ny teny farany fa ny tsara » ary nasongadin’izy ireo ihany koa ny antony mampikoroso ny firenena ankehitriny.

Famaranana Vonjimaika ny lisi-pifidianana : 9 623 662 ireo voasoratra anarana ara-dalàna

0
Manana 20 andro aorian’ny fahatongavan’ny lisitry ny mpifidy eny anivon’ny fokontany ankehitriny ny olom-pirenena hanao ny fitsirihana  sy ny fanintsiana ny momba azy anaty lisim-pifidianana nofarana vonjimaika nanomboka androany raha ny nambaran’ny avy eo anivon’ny CENI. Mahatratra 70,80% ny tanjona napetraky ny CENI hatreto ny tahan’ny olom-pirenena tafiditra anatin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana.