dimanche 19 mai 2024
Accueil 2018 septembre

Archives mensuelles: septembre 2018

Fanakatsakanana ny fifidianana : tampina ny daomin’ireo mpanakorontana

0
Mitohy vakana ny fanampian’ireo firenena vahiny an’i Madagasikara amin’ny fanatontosana araka ny tokony ho izy ny fifidianana Filohampirenena mialohan’ny fotoana eto amintsika. Ankoatra ny fanampiana ara-bola avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka amintsika ireo dia tsy sasatra ny manambara ihany koa izy ireo fa mizotra tsara ny fanomanana ny fifidianana ary ny fanatontosana fifidianana ihany no vahaolana ho an’ny Malagasy.

CRAAD-OI : « miaro ny mpitrandraka vahiny fa tsy miaro ny tontolo iainana ny O.N.E »

0
Miaro ny mpitrandraka vahiny fa tsy miaro ny tontolo iainana sy ny vahoaka malagasy ny Office National pour l'Environnement, hoy ny fanambarana nataon'ny fiarahamonim-pirenena Craad-oi. Porofon'izany hoy izy ireo ny fitrangan'ireo olana ara-pitrandrahana maro manerana an'i Madagasikara.

Fanendrena ny filohan’ny SRMV : ilaina ny fangaraharana

0
Ny sendikan’ny mpitsara sy ny ministeran’ny fitsarana no nanendry ny filohan’ny SRMV na ny Section de recensement des materiels de vote, izy ireo izay nanomboka ny fiofanana androany. Raha zohina anefa, mialohan’ny naha mpikambana teo anivon’ny CENI ireo solontenan’ny kandidà no nanaovana ny fanendrena ireo filohan’ny SRMV ireo.

Saran-dalana 500 Ariary : misy fanararaotana ataon’ny mpitatitra, hoy ny mpanjifa

0
Tafahoatra ny fampiakarana saran-dalàna 500 Ariary ataon’ny Taxi-be eto an-drenivohitra raha ny fanazavan’ny olontsotra nanaovana fanadihadiana. Takian’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa hatrany arak’izany ny fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra sy ny fanajana ny bokin’andraikitry ny fitaterana.

Fanadinana Bakalorea : ambony ny tahan’ny tsy fahatongavan’ireo mpiadina

0
Ambony ny tahan’ny tsy fahatongavan’ireo mpiadina nandritra ny andro voalohan’ny fanadinana bakalorea omaly. Nizotra araky ny tokony ho izy ihany anefa ny fanadinana ho an’ireo foibem-panadinana rehetra teto amin’ny faritra Analamanga.

Lisi-pifidianana ofisialy : nanomboka androany ny fijerena ny anarana eny amin’ny fokontany

0
Niverina eny anivon’ny fokontany nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny lisi-pifidianana ofisialy. Nanomboka omaly kosa ny fijeren’ny olompirenena izany ho an’ny ankamaroan’ny fokontany annaovana fanadihadiana. Fahadisoan’ny tsipelina amin’ny anarana no mateti-mitranga hoy ny eny anivon’ny fokontany.

Seham-pamokarana voankazo « melon » : tsy maharaka ny tolotra ny tinady

0
Tsy maharaka ny tolotra ny tinady eo amin'ny seham-pamokarana voankazo melon eto Madagasikara, miditra faty antoka vokatr'izany ireo mpamboly. Miantso ny fanampian'ny fanjakana amin'ny fitadiavana lalam-barotra any ivelany ireo mpisehatra amin'izany amin'izao fotoana izao.

Valan’aretina peste : olona 2 no maty tany Ankazobe sy Ambalavao

0
Olona 2 no matin’ny aretina peste tany amin’ny distrikan’Ankazobe sy Ambalavao Fianarantsoa tamin’ny herinandro lasa iny. Nailiky ny teo anivon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka any amin’ny lafiny fahadiovana sy ny firongatry ny doro-taneny ny lesoka. Aiza ho aiza arak’izany ny fitohizan’ny ezaka vitan’ny ministera izay nanomezana mari-boninahitra ny filohampirenena RAJANONARIMAMPIANINA tamin’ny ady amin’ny pestsa tamin’ny taon-dasa ?

Fandaharam-pianarana 2018-2019 : ny 19 novambra no hiverina an-dakilasy ny mpianatra

0
Eo amin’ny tontolon’ny fanabeazana. Ny 19 novambra izao no hiditra an-dakilasy ny mpianatra araka ny fandaharana navoakan’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Ireo datim-panadinana sy ny fialan-tsasatra no entina aminao anatin’ity fanadihadiana ity

Edito du 15 sept 2018

0
50 andro mialoha ny fifidianana Filohampirenana mialoha ny fotoana, efa azo ambara ho mipetrapetraka avokoa ny fanomanana izany. Efa dodona ny vahoaka Malagasy hanova ny tantarany.