Accueil 2018 septembre

Archives mensuelles: septembre 2018

Fanaovana hosoka amin’ny fadin-tseranana: voatonona indray i Mbola Rajaonah

0
Orinasa maro an’I Mbola Rajaonah, mpanolotsaina manokan’ny filohampirenena teo aloha Rajaonarimampianina, no voasaringotra amin’ny resaka hosoka amin’ny fadintseranana. Manamafy ny ahiahy ireo lanjan’ny entana afarana izay hita ho mihoa-papana raha ny fanazavana.

Faktiora – vidin’ny rano ao Betafo Antsirabe : mahatratra hatramin’ny 6 hetsy ariary ny iray volana

0
Aman’hetsiny ariary isam-bola ny vidin-drano aloan’ny ankamaroan’ny mponina ao amin’ny Distrikan’I Betafo, kominina ambonivohitra tato anatin’ny volana maro. Fiakarana miopapana izay ambaran’ny mpanjifa tsy manara-dalàna. Nohon’ny fifandirana eo amin’ny mpanjifa sy ny mpamatsy rano, ahiana hiteraka korontana any an-toerana ity olan’ny rano ity.

Fokontany Ankadindratombo : vehivavy iray tapa-denda nofirain’ny vadiny tamin’ny antsy

0
Trangam-piarahamonina kosa indray, vehivavy manodidina ny 20 taona no maty notsatoan’ny vadiny tamin’ny antsy tao amin’ny fokontany Ankadindratombo. Raha ny fanadihadiana natao, goraobaky ny antsy tanteraka ny faritry ny tendanyn nahitana dian’antsy ihany koa ny faritry ny tanany. Ialana tsiny mialoha ho an’izay mety ho tohina amin’ny rakin-tsary.

Euro : niakatra ny sandany

0
Maherin’ny 4000 ariary ny Euro iray, tsy mahazo aina ankilan’izay ny Ariary. Anton’io raha ny nambaran’ny mpahay toekarena ny tsy fahampian’ny tolotra manoloana ny tinady eo amin’izay fifamezivezen’ny vola eto Madagasikara izay.

EPP Behoririka : lasan’iza ny tany manodidina ?

0
Mifamahofaho ny resaka mikasika ny raharaha EPP Behoririka. Raha ny fanazavana azo tamin’ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra, efa nisy ny fanafoanana ny fanorenana manoloana ny EPP Behoririka saingy misy olona ambadika nanome fanomezan-dalana vaovao.

Aretina Pesta : tranga 13 nampiahiahy manerana ny distrika 7

0
Herinandro taorian’ny fiparitahan’ny resaka mikasika ny fiverenan’ny pesta eto Madagasikara, nahenoam-peo ihany ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamana omaly. Raha ny antontanisa voaray, nanomboka ny voalohan’ny volana Aogositra, olona 2 no matin’ny pesta hatreto.

Vidim-bary : Nahitana fiakarany manodidina 200 Ariary ny kilao

0
Ankoatran’ny fiakaran’ny vidin-tsolika, saran-dalana,sy ireo kojakoja maro hafa, miaka-bidy indray ny vary amin’izao fotoana izao ary efa hita taratra eny amin’ireo mpamongady io fiakarana io. Fiakarana izay manodidina ny 150 hatramin’ny 200Ar

Trosan’ny orinasa Air Madagascar : ny volam-bahoaka no handoavana azy

0
Saika voalohan’ny fanjakana avokoa ny ampahany betsaka amin’ny trosan’ny orinasa Air Madagascar ankehitriny. Tsy ahafahan’ity orinasa ity miarina anefa izany hatreto. Ho an’ny mpandalina ara-politika nanontaniana, tsy laharampahamehana ny nanoneran’ny fanjakana io trosa io. Fanadihadiana.

Carrière – Ambatomaro : misy milaza ho tompony ary hanala ireo mpitrandraka vato

0
Nanatanteraka fihetsiketsehana teny amin'ny carriere Ambatomaro omaly ireo mpitrandraka vato eny an-toerana. Antony, misy olona iray milaza fa tompony ary nikasa hametaka borne. Nambaran’ireo mpitrandraka vato fa tsy misy tompony ny tany fa an'ny fanjakana ary tsy hanaiky hatramin'ny farany izy ireo.

RAKOTOVAO Rivo : tsy voatery arahina ny « Avis » navoakan’ny HCC

0
Tsy voatery arahina ny « Avis » avoakan’ny HCC amin’ny maha-« Avis » azy, hoy RAKOTOVAO Rivo Filoha mpisolo-toerana, nandritra ny fivahiniany tamin’ny onjampeo tsy miankina iray eto an-drenivohitra tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Fanehoan-kevitra izay mbola manaporofo ny fiheveran’ny mpitondra HVM ho ambonin’ny lalàna hatrany ny tenan’izy ireo.