vendredi 17 mai 2024
Accueil 2018 octobre

Archives mensuelles: octobre 2018

CPCTRV – Gare routière Maki : hitokona raha tsy voavaly anatin’ny 24 ora ny fitakiana

0
Hitokona manomboka anio ny fikamban'ny mpitatitra sy lehibe-na kaoperativa ao amin'ny gare routiere Maki raha tsy voavaly ny fitakian'izy ireo. Isan'ny fitakian'izy ireo amin'izany ny fanalàna ny fefy fanitso amin'ny ampahan'ny gare routière.

Fandoroana fako – Andoharanofotsy : toherin’ny mponina

0
Ahiana hiteraka haretina ny fivangonan’ny fako amin’ny toerana iray ao amin’ny kaominina Andoharanofotsy. Tsy eken’ny mponina ny fandoroana fako eny an-toerana, mitaraina ihany koa izy nohon’ny fivarinan’ny rano anatin’ny tranin’ireo eo amin’ny manodidina. Miantso fandraisan’andraikitra avy amin’ny kaominina manoloana izany ireto farany.

Houcine ARFA : nanoratra ho an’ny Sekretera Jeneralin’ny OIF

0
Nanoratra taratasy misokatra ho an’ny Sekretera Jeneralin’ny OIF na ny Organisation Internationale de la Francophonie i Houcine ARFA, ilay teratany vahiny nandositra ny fonja teto Madagasikara tamin’ny herintaona. Taratasy izay maneho ny tsy fahatomombanan’ny nikarakarana ny fihaonana an-tampon’ny francophonie teto Madagasikara tamin’ny taona 2016 sy ny fanodikodinam-bola tamin’izany fikarakarana izany.

Andranotapahana

0
Tsy ekena hatramin'ny farany ny amboletra ataon'ny filoha teo aloha amin'ny fanamboarana ny lalana miainga avy eny amin'ny sampanana Ambohitrimanjaka mihazo an'Ivato Aéroport hoy ireo mponina voakasik'izany. Nanolotra soson-kevitra izay sady mora no tsy manimba zavatra izy ireo saingy tsy nohainoana raha ny fanazavana.

Charte

0
12 ihany ireo kandidà tonga nanao sonia ilay dina mamaritra ireo fomba mendrika sy mahitsy, ifampifehezan’ireo kandida amin’ny fifidianana Filohampirenena mba hisian’ny fitoniana novolavolain’ny CFM sy ireo fiarahamonim-pirenena vitsivitsy. Antony naha-vitsy ireo kandidà tonga nanao sonia ity Dina ity ny tsy fahatokisan’izy ireo intsony ny Komitin’ny Fampihavanana Malagasy.

Sadc – Sambo

0
Miantso ny fanjakana malagasy ny vondrona Sadc hanafoana ny fifanaovan-tsonia tamin'ny orinasa sinoa, fifanarahana hitrangaka ny fari-dranomasin'i Madagasikara mandritra ny 10 taona. Tsy hiteraka fampandrosoana ho an'ny firenena malagasy ary tsy nisy fankan-kevitra nialohan'izany raha ny fanambarana navoakan'ny Sadc.

Suivi permis biométrique

0
Ny teknolojia mamaky QR code izay singa hahitana ny mombamomba ny olona iray dia ahahafana mahita na biometrika ny karatra fahazoandalana hamily na tsia. Io no nambaran’ny minisitry ny atitany mikasika ny fahazoan-dalana hamily fioara biométrika namely ny orinasa CETIS nilaza fa application manokana tsy natao ho an’ny daholobe no natao hijerena ny mahabiometrika ny permis iray ka mamoaka ny mombamomba ny olona tompony.

Fomba fampiaran’ny CUA lalàna : misy mizana tsindrian’ila ve ?

0
Miteraka ahiahy eo amin'ny mponina eto Antananarivo Renivohitra ny fomba fampiaran'ny eo anivon'ny kaominina Antananarivo renivohitra lalàna. Toy ny tranga eny Ambohijatovo ambony, trano 2 samy eo ambonin'ny Tunnel, ny iray narodana, raha nomena fahazon-dalàna hanorina ny iray.

Milavonjy Philobert : nailiky ny foko RENEVAVEGNE fa nanota fady

0
Nailiky ny foko RENEVAVEGNE avy ao amin’ireo kaomina miisa 8 ao anatin’ny distrikan’Ambovombe Androy tsy ho hisan’ny fiaraha-monina intsony ny solombavambahoaka HVM, MILAVONJY Philobert noho ny fanotana fady nataony araka ny fanambarana goavana nataon’ny mpisorombe any an-toerana. Nisy ny famonoana omby niisa 7, hanadiovana ny foko izay voaota fady raha ny loharanom-baovao azo.

Orinasa afaka haba etsy Ivato : voahitsakitsaka ny zon’ny mpiasa 552

0
Mpiasa 552 ao amin’ny orinasa afaka haba iray etsy Mandrosoa Ivato no mitaraina vokatry ny tsy fanajana ny zo fototry ny mpiasa. Santionany ny fanapahana karama, ny tsy fanajana ny mari-karama farany ambany, ny fiantohana ny aina sy ny fiahiana ara-tsosialy. Tokony hampiharina ny lalàna sy ny sazy mifanaraka amin’izany hoy ny teo anivon’ny OIT.