vendredi 03 mai 2024
Accueil 2018 novembre

Archives mensuelles: novembre 2018

Fiara may HCC

0
Fiara iray no nirehitra teny Ambohidahy manoloanana ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenanany ny maraina teo tamin’ny 11 ora sy sasany teo. Tsy fantatra mazava ny antony naha-may ity fiara ity. Kila tanteraka ilay fiara na dia tonga ara-potoana ihany aza ny mpamonjy voina.

Statut pdt interim

0
Mitohy ny fanendrena sy fanoloana mpiasampanjakana ataon’ny filohampirenena misolo toerana. Fihetsika izay mifanipaka tanteraka amin’ny hevitra navoakan’ny fitsarana avo momban’ny lalam-panorenana. Etsy ankilany, raha ny nambaran’ny mpandinika politika iray nanaovana fanadihadiana, raha tsy mikasika ny ain-dehiben’ny firenena, tsy tokony hisy izay fanendrena na fanoloana mpiasam-panjakana izay.

Androy 24 Nov

0
Nilaza ny tsy handray anjara amin'ny fikarakarana fifidianana intsony ny ankamaroan'ireo sefo Fokontany ao amin'ny faritra Androy noho ny tsindry sy ny ramatahora ataon'ny Solombavambahoaka Milavonjy Philobert. Ankoatr'izay, io solombavambahoaka io no mifehy ny CENI any an-toerana.

ANR 24 11

0
Nanolotra kits-scolaire ho an'ny mpianatra tamin'ny fokontany maro teto an-drenivohitra i Andry Rajoelina tamin'ity androany ity. Fanehom-pitiavana, fa ihany koa ho famporisihina ny ray aman-dreny ampiana-janaka no anton'izao fanomezana izao hoy Andry Rajoelina.

EDITO du novembre 2018

0
Any amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana avokoa ankehitriny no mifantoka ny mason’ny Malagasy. Fitsarana izay endriky ny fiandrianam-pirenena sy hany fitsarana tokana araka ny Lalàmpanorenana afaka mitsara sy mamoaka vokatra ofisialy ny fifidianana Filohampirenena eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’I Madagasikara. Hitovy amin’ny voka-pifidianana navoakan’ny CENI ve ny vokatra havoakan’ny HCC amin’ny Alarobia ho avy izao, ka hisy ny fifidianana Filohampirenena fihodinana faharoa? Hanao ahoana ny fifampiandanian’ireo samy kandidà raha hisy izany? Fanontaniana mbola ny ampitso avokoa no hamaly izany.

Fivondronamben’ny eveka

0
Niompana bebe kokoa tamin'ny hafatra ho an'ireo tanora Malagasy ny fivondronamben'ny eveka eto Madagasikara, indrindra taorian'ny JMJ andiany faha 9 izay notontosaina tao Mahajanga farany teo. Na izany aza, nanipy teny ho an'ny vahoaka Malagasy ihany koa izy ireo ary miantso ny rehetra ho tony sy hilamina.

Androy 23 Nov

0
Nafindra ireo mpampianatra tsy nanaiky ho HVM sy hanampy ny Solombavambahoaka MILAVONJY tamin'ny fampandaniana ny Kandida laharana faha 12 tao amin'ny Faritra Androy. Mitaraina ireo mpampianatra voakasik'izany ary nilaza fa tsy tokony hafangaro ny Politika sy ny fanabeazana.

CENI

0
6 andro katroka aty aorian’ny namoahan’ny CENI ny voka-pifidianana vonjimaika vao hitany fa nisy ny fahadisoana teo amin’ny tarehi-marika navoaka. Nandefa fanitsiana ireo tarehi-marika diso ireo ho an’ny mpanao gazety izy ireo alina. Vao maika mampitombo ny ahiahy napetrak’ireo kandidà sy fiarahamonim-pirenena izany ary indrindra ny fahamatoran’ity Vaomiera Mahaleotena Misahana ny fifidianana ity.

Réaction CENI

0
Fahadisoana tsy nahy no nitranga ka niteraka fahasamihafan’ny voka-pifidianana vojimaika ofisialy nivoka teo amin’ny tranonkalan’ny ceni sy izay nambaran’izy ireo. Io no fanazavana nentin’ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana izay nilaza handray fepetra. Izy ireo izay niatrika fivoriana tsy azo natrehina teny Nanisana.

Zone de recasement

0
Mitohy hatrany ny asa sy ny fanotofana tany eny amin'ny Zone de recasement Ankorondrano. Nofefena manodidina ny toerana amin'izao fotoana hahafahana manohy ny asa ao anatiny. Mitaraina ireo mponina manodidina ary manahy sahady ny fiakaran'ny rano.