Accueil 2019 mars

Archives mensuelles: mars 2019

Fifidianana solombavambahoaka: nifarana androany ny fandraisana atotan-taratasy

0
Nifarana tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny 5 ora hariva teo ny fe-potoana niasan’ny OVEC nandraisana ireo atotan-taratasy filatsahan-ko fidiana ho solombavambahoaka. Tato anatin’ny andro farany no hita taratra ireo kandida. Mizotra amin’ny dingana manaraka araka izany ireo mpikatroka sy mpikarakara ny fifidianana solombavambahoaka amin’ity taona ity.

Filoha Andry RAJOELINA : nitsidika toerana manan-tantara tao Maurice

0
Fitsidihana maro no nataon'ny filoha Andry RAJOELINA tao Maurice tamin'ity androany ity teo ihany koa ny fandraisana ireo olom-panjakana tonga any an-toerna. Nanamboka io hariva io ny fankalazana ny fetin'ny fahaleovan-tena ny île Maurice izay hatao eo amin'ny Champ de Mars ao Port Louis.

Atelier – EFPA Ambatobe : narodan’ny vahiny milaza ho tompony

0
Niroso tamin'ny fandrodanana ny ampahan-tany fanaovan'ny mpianatra fampiharana ao amin'ny Ecole de Formation de Techniciens Agricoles eny Ambatobe ireo teratany vahiny milaza ho tompony tamin'ity androany ity. Miantso fandraisan'andraikitra ireo mpiasa ao amin'ny EFPA.

Tanin’ny ARTEC mirefy 1,8 ha : nisy nivarotra an-tsokosoko

0
Nisy nivarotra an-tsokosoko ny tanin'ny ARTEC eny Alarobia mirefy 1,8ha araka ny fidinana ifotony nataon'ny minisity ny paositra sy ny fidandraisan-davitra teny an-toerana androany. Hisy ny fandraisana fepetra, ahafahana mamerina ny tany ho an'ny fanjakana raha ny fanazavana.

MENETP : laharam-pahamehana ny fampitombona ny ankizivavy miditra an-tsekoly

0
Atao laharam-pahamehana ho an'ny minisiteran'ny fanabeazam-pirenena, fampianarana teknika sy fanofanana araka asa ny fampidirana an-tsekoly ireo ankizy vavy. Izay no nivoitra nandritra ny fanamarihana ny andron'ny vehivavy ho an'ity minisitera ity teny amin'ny Lycée Moderne Ampefiloha.

OVEC : hifarana rahampitso ny fandraisana ny filatsahan-ko fidiana

0
Rahampitso amin’ny 5ora hariva no hifarana ny fanaterana ny atotan-taratasy filatsahan-ko fidiana ho solombavambahoaka eny amin’ny OVEC. Ny 19 martsa no hamoaka ny lisitr’ireo kandida ny CENI ary ny 22 martsa no vinavinaina hanaovana ny fisarihana ny filaharan’izy ireo anatin’ny bileta tokana.

Fifidianana Solombavambahoaka : misy maika ahazo « immunité parlementaire »

0
Iray andro mialohan'ny fikatonan'ny filatsahan-kofidiana ho solombavambahoaka, olona voarohirohy amina raharaha maloto teto amin'ny firenena no mikasa hirotsaka ahafahana mahazo "immunité parlementaire".

Fihaonana Andry RAJOELINA – praiminisitra Morisiana : teboka 4 no nisongadina

0
Teboka 4 lehibe no nisongadina nandritra ny fihaonan'ny filohan'ny repoblikan'i Madagasikara sy ny praiminisitra maurisiana androany. Teboka hitondrana fanatsarana amin'ny sehatra samihafa isan'izany ny lafiny indostrialy, fahasalamana, fitaterana an’habakabaka ary ny fampianarana ambony izay hiaraha-miasa amin'izy ireo.

Fianjeran’ny BOEING 737-800 MAX: 157 no maty androany

0
Fiara manidina iray an'i ETHIOPAN AIRLINES androany izay nampitohy ADDIS ABEBA sy NAIROBI no niarandoza. Tsy nisy avotra ireo olona 157 tao anatiny. Tato anatin'ny herinandro vitsy BOEING 737-800 MAX 2 no nihanjera.

Fandaharana « Instafun » : hisy fanovana manomboka rahampitso

0
Hisy fanovana ny Fandaharana , "instafun" eto amin'ny kolotv manomboka rahampitso. Tamin'ny alalan'ny fangatahan'ny mpijery sy tafiditra anatin'ny fanatsarana no nentina nandrafetana izay fanovana izay.