Accueil 2019 avril

Archives mensuelles: avril 2019

Edito du 13 avril 2019

0
Sasa-nangy samihafa tanteraka ny fampanantenana poaka’aty sy ny asa avy hatrany. Efa tofoka sy leon’ny fampanantenana tsy notanterahina ny vahoaka Malagasy ampolo-taonany maro. Asa avy hatrany izay azo tsapain-tanana no ilaina sy takian’ny vanim-potoana iainana ankehitriny. Efa nilaozan’ny toetr’andro ny kobaka am-bava.

Ady amin’ny herisetra : voatendry masoivohon’ny UNFPA i RAJOELINA Mialy

0
Notendren’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny mponina ho masoivohony momba ny herisetra miankina amin’ny saranga ny vadin’ny filohan’ny repoblika Mialy RAJOELINA. Io no nivoitra nandritra ny fanamarihana ny faha-50 ny UNFPA tetsy Anosy omaly. Nohamafisiny tamin’izany ny fahavononay hampitsahatra tanteraka ny endrika herisetra mianjady amin’ny zaza amam-behivavy « na ny zero tolérance ».

« Assemblée genérale – « VMMM : notanterahina androany.

0
Notanterahina androany ny fivoriam-be fanao isan-taona ho an'ny fikambanana Vehivavy Malagasy Miara-Miainga. Ho tohizana ary ho hatsaraina hatrany ny asa fanasoavana vahoaka ary hiitatra amin'ny sehatra vaovao izany. Nisy ny fizarana traikefa sy ny fizarana mari-pankahasitrahana ary ny fifidianana izay ho filohan'ny fikambanana sy ireo mpikambana handrafitra ny birao nasionaly.

Kandidà ho solombavambahoaka : tokony hanaja ny « toky nomena »

0
Ho famenoana ny fahabanganeo amin' ny lalana mifehy ny fifidianana, napetraka ny fifanarahana toky nomena hanaraha-maso ny kandida ho solombavambahoaka. Tanjona ny hametrahana ny fanovana marina sy ny mangarahara eo anivon'ny Andrimpanjakana rehetra eto amin'ny firenena.

Mpivarotra tsy ara-dalàna – Pavillons : tsy mandray andraikitra ny CUA

0
Mitaky ny fanesorana ireo mpivarotra tsy ara-dalàna manoloana ny pavillons ny fikambanan’ny mpivarotra etsy Analakely. Hiroso amin’ny dingana manaraka ny fitakiana ny alatsinainy ho avy izao raha tsy misy fandraisana fepetra matotra avy amin’ny kaominina.

Lalàna mifehy ny serasera : nanomboka ny fakan-kevitra

0
Nanomboka androany ny fakan-kevitra ireo tompona haino amajery sy gazety eto madagasikara momba ny fandinihina ny lalàna mifehy ny serasera. Nisongadina tamin’izany ihany koa ny fanatsarana sy ny fanitarana ity sehatra ity, indrindra ao anatin’ny fidiran’i Madagasikara amin’ny TNT.

Vondron-tafika ZRPS Bravo : hanamafy ny fandriampahalemana any Atsimo

0
Niainga omaly Alakamisy avy tao amin'ny sekolin'ny manam-boninahitra Antsirabe ireo vondron-tafika ZRPS Bravo na Zone Rural Prioritaire de Sécurité miisa 400, hampandry fahalemana any amin'ny faritra mianatsimon'i Madagasikara. Hetsika andiany faha 2 ho famongorana ny tsy fandriampahalemana any amin'ny faritra mena.

Olompirenena : tsy ampy fanentanana

0
Tsy ampy ny fanentanana ny olompirenena amin’ireo tetiandro ahafana manamarina na mampiditra ny anarany anatin’ny lisi-pifidiana. Efa nikatona ny tapaky ny volana martsa teo izay fanoratana anarana izay, amin’izao fotoana izao vao maro ny olompirenena tonga eny amin’ny fokontany.

JIRAMA : tsy miankina amin’ny fanampiana ara-bola ny fanarenana

0
Miankina amin'ny politikam-panjakana sy ny fepetra raisina manoloana ny toe-java-misy eo anivon'ny orinasa Jirama no ahafahana manatsara ny tolotr'ity orinasa ity indrindra mikasika ny vidin-jiro sy rano, araka ny nambaran'ny banky iraisam-pirenena androany. Maro ireo tetikasa tanterahana ankehitriny, ahafahana manatratra ny tanjona ny amin'ny tsy hanampian'ny fanjakana ara-bola ny JIRAMA intsony .

Rova Manjakamiadana : mariky ny firaisam-pirenena

0
Androany maraina no notanterahina ny ny lanonana manamarika ny fanombohan'ny asa famitana ny fanarenana ny Rovan’i Manjakamiadana. Ny famitana ny asa fanarenana ny Rova dia hanandratana indray ny fiandrianam-pirenena, hoy ny Filoha Rajoelina Andry, ary hamelomana indray ny ambompom-pirenena, entina hanavotana sy hampandrosoana an'i Madagasikara.