vendredi 17 mai 2024
Accueil 2019 août

Archives mensuelles: août 2019

« Mpanazava Day » : nankalazaina androany teny amin’ny LMA

0
Nankalazaina androany teny amin'ny LMA ny "Mpanazava Day" na ny tontolo andro ho an'ny mpanazava. Hetsika maro no nentina nanatanterahana izany , izay tafiditra ihany koa amin'ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tanora.

« Ligue des champions d’Afrique » : lavon’i Fosa Juniors ny Pamplemousses

0
Tontolon'ny fanatanjahantena, taranja baolina kitra, Lavon’i Fosa Junior tamin’ny isa 1 noho 0 ny Pamplemousse FC avy atsy Maurice tao amin’ny kianjan'i Rabemananjara Mahajanga androany.

Fiarabe mpitatitra tany : tsy mazava ny fomba fiasan’ny CUA

0
Tsy mazava ny fomba fiasan'ny kaominina manoloana ny fivezivezen'ireo fiarabe mpitatitra tany eto Andrenivohitra. Ny lalàna anefa no tokony hampiharina ka iharan'ny sazy avokoa izay rehetra mandika izany.

Ranomasina : azo avadika solika

0
Ranomasina havadika ho solika, io no vokatry fikarohana nataona mpianatra eny amin’ny oniversite iray nanaovana fanadihadiana. Azo hampiharina eto Madagasikara ny fikarohana saingy olana amin’ny fanatanterahana azy ny lafiny ara-bola raha ny fanazavana.

Fahatongavan’ny Papa Ray Masina : hamboarin’ny fitondram-panjakana ny lalana handalovany

0
Ankoatry ny fanamboaran-dalana hiarahan’ny mpamatsy vola sy ny fitondram-panjakana miasa, amboarin’ny fitondram-panjakana avokoa ankehitriny ireo lalana handalovan’ny Papa Ray Masina rehetra. Toerana maro no voakasik’izay .

Olana rano eny Antsahameva: nisy vahaolana vonjimaika

0
Nampiaka-peo ireo mponin'Antsahameva eny Ankatso io maraina io nohon'ny fahatapahan-drano ela loatra eny amin'izy ireo. Teo ny eo ihany, nisy ny vahaolana vonjimaika natolotry ny Jirama . Efa an dalana ny fanamboarana rehetra ary hivaha ao anatin'ny fotoana ny olana raha ny fanazavan'ny tomponandraikitra eo anivon'ny Jirama.

Filohan’ny Repoblika Malagasy : nandray Ambasadaoro miisa 3

0
Nandray ny ambasadaoron’i Pakistan, Frantsa ary Allemagne nitondra ny taratasy fanendrena azy ho masoivohon’ireo firenena ireo eto Madagasikara androany maraina teny amin’ny Laàpam-panjakana Iavolha ny Filohan’ny Repoblika Malagasy RAJOELINA Andry. Nisongadina tamin’ny fihaonana ny fiverenan’ny fahatokisan’ireo firenen-dehibe ny politikam-pampandrosoana tanterahin’ny fitondrana Malagasy ankehitriny.

Hajia « Pape François » : nivoaka omaly

0
Nampahafantarina omaly ny fivoahan’ny hajia na ny « timbre PAPE FRANCOIS » natontan’ny minisiteran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra. Ho fanomezan-danja sy ho fanamarihana ny fandalovan’ny PAPE eto Madagasikara no anton'izany.

Raharaha kolikoly – ENMG : efa eo am-pamaranana ny famotorana

0
Tohin'ny raharaha-na kolikoly, izay niafara tamin'ny fandorana ireo laza adina tao amin'ny sekoly ENMG ny taona 2018. Nidina teny an-toerana androany, nanao perquisition ireo trano nogiazana ny teo anivon'ny Bianco .Eo am-pamaranana ny fanadihadiana amin'izao fotoana izao ireo tomponandraikitra raha ny fanadihadiana natao.

PRM – CSM : Fitsarana itokian’ny vahoaka, lavitry ny kolikoly no ilaina

1
Fitsarana itokian’ny vahoaka, tsy mitanila, lavitry ny kolikoly io no nambaran’ny Filohan’ny Repoblika RAJOELINA Andry nandritra ny fihaonanany tamin’ny mpikambana eo anivon’ny Conseil Suprême de magistrature androany. Maro loatra ny fitarainana avy amin’ny vahoaka voaraiko, hoy ny Filohampirenena ka izay no antony tsy maintsy nihaonako taminareo.