Accueil 2019 août

Archives mensuelles: août 2019

Fanotofana tany : tsy maintsy angatahana fahazoan-dàlana avokoa

0
Fiara vaventy mpitatitra ny tany maromaro no natao "mise en fourrière", voasazy hijanona tsy afaka miasa mandritra ny folo andro, noho ny fanamarinana ny antotan-taratasy rehetra mirakitra ny fahazoan-dàlana hanototra eny Talatamaty. Ny fanotorana tany izay tsy maintsy angatahana fahazoan-dàlana avokoa.

Raiamandreny sy ny zanaka : mila fifandraisana manokana

0
Nihen-danja ny fifandraisana manokan’ny Raiamandreny sy ny zaza malagasy mandritra ny fepotoanan’ny fahazazana na ny « petite enfance » ankehitriny. Lesoka ny rotoroton’ny fiainana andavanandro sy ny tsy fahafantarana ny mahazavadehibe izany amin’ny fivoarana ara-tsaina sy ara-batana.

Ala volon-jaza : dingana mialohan’ny hanomezana anarana ny zaza

0
Dingana faharoa mialohan’ny hanomezana anarana ny zaza vao teraka ny ala volon-jaza. Fomba iray tsy maintsy atao amin’ny zaza izany raha ny fanazavan’ny mpampianatra mpikaroka iray.

Fitsarana miaramila : mavitrika ny olona

0
Maro no efa nahatontosa ny fitsarana miaramila nanomboka ny voalohan’ny volana aogositra. Mizotra am-pilaminana izany hatreto, raha ny fanazavana azo.

Atrikasa momba ny fananan-tany – Toliara : nanao fidinana ifotony ny minisitera

0
Nanatanteraka fitsidihana ifotony ny ala sy ny tanàna itoeran’ireo Mikea tao amin’ny kaomina Basibasy fokontany Bedo sy Vorehe ny solon-tenan’ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany, ny Toeram-ponenana sy ny Asa Vaventy, omaly. Tanjona amin’ny atrikasa ny hamoahana ny famaritana iraisana ny atao hoe « Communauté », isan’izany ny any amin’ny toerana misy ny Mikea iny

Andravoahangy Tsena : misy manangana tsena tsy ara-dalàna ihany koa

0
Nampiaka-peo manoloana ny fananganana « tsena biriky » tsy ara-dalàna ny mpivarotra etsy Andravoahangy ankehitriny. Tomponadraikitra voalohany amin’izany ny delegen’ny tsena eny an-toerana izay maka amboletra ny toeram-pivarotana ary mamarotra izany hatramin’ny 12 tapitrisa Ariary.

STP-CA : harindra ny antontan-kevitra momba ny famatsiam-bola

0
Tsy nandeha tamin’ny laoniny ny fampiasana ny famatsiam-bola azon’i Madagasikara hatrizay. Tsy voafaritra ny laharampahamehana vokatry ny tsy fananana antontan-kevitra mazava. Nampahafantarin’ny STP-CA androany arak’izany ny fikirakirana antontan-kevitra ho fanatsarana ny lafiny fitananana anatin’ny mangarahara.

Fanendrena PDS : tsy mitombona izany, hoy ny Filohampirenena

0
Tsy mitombina ny feo ahely ankehitriny ny amin’ny hoe ho soloina PDS ireo Ben’ny tanàna ankehitriny, hoy ny Filohan’ny Repoblika RAJOELINA Andry. Farafahatarany amin’ny herinandro ho avy dia hisy ny fanapahan-kevitra ho raisina anaty filan-kevitry ny minisitra, hoy hatrany ny Filohan’ny Repoblika.

Tahan’ny fandoavan-ketra : nitombo manodidina ny 15 %

0
Nihatsara raha oharina tamin’ny taondasa ny tahan’ny fandoavan-ketra anivon’ny kaominina aro eto Madagasikara. Isany nahitana fiakarana hatramin’ny 15 % ny hetra tambatra sy ny hetran-tany sy hetran-trano.

Madagasikara : hisy fanamboarana fonja vaovao miisa 5

0
Fonja vaovao miisa dimy no haorina eto Madagasikara amin'izao fotoana izao hialana amin'ny fahafenoan'ny fonja eto amintsika raha ny nambaran'ny minisitry ny fitsarana androany. Hafindra eny amin'ny fonja vaovao Tsara Ambina Imerintsiatosika ireo mpanao heloka bevava aorian'ny fahavitan'ity fonja Tsara Ambina ity.