vendredi 03 mai 2024
Accueil 2019 août

Archives mensuelles: août 2019

Famangian’i Pape François : nivoaka androany ny fandaharam-potoana

0
Nivoaka tamin'ny fomba ofisialy androany ny fandaharam-potoanan’ i Papa François mandritra ny fitsidihiny an’i Madagasikara. Ny faha-6 ny volana septambra i Papa François no higadona eto Madagasikara. Fitsidihana sy fandaharam-potoana maro samihafa no hotanterahiny mandritra io famangiany an’I Madagasikara io.

Tetikasa PACFC : fotodrafitrasam-pampandrosoana maro no hatsangana

0
Mitentina 144 tapitrisa dolara ny vola hanatanterahana ny tetikasa PACFC na ny Projet d’Aménagement de Corridors et de Facilitation du Commerce. Ankoatran’ny fanamboaran-dalana sy tetezana hanamorana ny fifandraisana eto Madagasikara, fotodrafitrasam-pampandrosoana maro no hapetraka hanatsarana ny sosialim-bahoaka.

CEPE 2019 : efa voaparitaka manerana ny Nosy ireo laza adina

0
Efa voaparitaka manerana ny Nosy ankehitriny ireo laza adina hiatrehan'ny mpianatra ny fanadinana CEPE raha ny fanazavan'ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena fampianarana teknika sy fanofanana araka asa androany, nohamafisiny ihany koa fa hivoka amin'ity herinandro ity ny tetiandrom-pampianarana 2019 – 2020.

Lalàna hifehy ny serasera : tontosa ny tatitra ampahibemaso ny volavolam-panitsiana

0
Tontosa androany ny tatitra ampahibemaso ny fakan-kevitra isam-paritra momba ny fanitsiana ny lalàna hifehy ny serasera eto Madagasikara. Teboka 9 lehibe no nisongadina anatin’izany ka nampidirina avokoa ny fanamarihan’ireo mpisehatra amin’ny gazety sy haino aman-jery nandritra ny atrikasam-paritra.

Volavolam-panitsiana ny lalàna hifehy ny serasera : atolotra androany ny fehin-kevitra

0
Androany Alatsinainy faha-5 aogositra no hanaovana ny « Restitution finale » ny volavolam-panitsiana ny lalàna hifehy ny serasera sy ny fifandraisana eto Madagasikara na ny « loi sur la communication médiatisée » rehefa avy nakana ny hevitr’ireo mpisehatra manerana ny Nosy. Fanampim-panazavana.

Hira Gasy Makotrokotroka : nosantarina omaly teny Anatirova ny andiany faha-9

0
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly teny Anatirova ny andiany faha-9 ny Hira Gasy Makotrokotroka eto anivon'ny faritra Analamanga. Maro no nanatrika izany. Tanjona rah any fanazavana ny hampiroboroboana ny Hira gasy izay manasongadina an’I Madagasikara.

Fahatongavan’ny Papa Ray masina: nivoaka ny fandaharam-potoana

0
Hotanterina aminao ato anatin'ny fanadihadiana manaraka ity ny mikasika ny fandaharam-potoanan'ny papa Ray masina, mandritry ny fitsidihany an 'i Madagasikara.

Androm-paritry ny fahasalamana : nosokafana tao Antsirabe ny andiany faha-7

0
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao Antsirabe ny andiany faha-7 ny androm-paritry ny fahasalamana eo anivon’ny faritry Vakinankaratra. Hanomezan-danja manokana ny fahasalamam-bahoaka sy hanomezana tolotra maimai-mpoana hoan’ny vahoaka ao amin’ny faritry Vakinankaratra no tanjona.

Fanamboaran-dalana : hentitra ny fanaraha-maso nataon’ny fitondram-panjakana

0
Hovitaina mialohan’ny fahatongavan’ny fahavaratra ny ampahany betsaka amin’ny asa fanamboaran-dalana eto An-drenivohtra. Nidina nijery ifotony ireo fanamboaran-dalana maro ireo androany ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy. Nisy ny fepetra noraisina entina handrindrana ny asa.

« Calendrier Scolaire » : tokony haverina tamin’ny teo aloha

0
Naneho ny heviny ireo mpampiantra sy ireo ray aman-drenin'ny mpianatra eto anivon'ny faritra Analamanga androany nandritra ny fivorian'izy ireo fa manohana ny fanapahan-kevitra noraisin'ny ministera amin'ny hamerenana ny fandaharam-potoam-pampianarana toy ny teo aloha.