samedi 27 avril 2024
Accueil 2019 août

Archives mensuelles: août 2019

Lisi-pifidianana : miroso amin’ny fanatsarana ny CENI

0
Taorian'ireo tsikera maro momba ny lisi-pifidianana. Nandray fanapahan-kevitra ny Ceni fa hatsaraina ny lisi-pifidianana amin'ny fifidianana izay ho ben'ny tanàna. Miroso amin'ny fangatahana didy havoakan'ny fitsarana ambaratonga voalohany izy ireo amin'izao fotoana izao mba hahafahana mikitika indray ny lisi-pifidianana.

Taxi-be : manjaka tanteraka ny gaboraraka

0
Mbola tsy nahitana fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra omen’ny fiara fitateram-bahoaka ny mpanjifa eto an-drenivohitra. Mahazo vahana ny gaboraraka, tsy manaraka ny fenitra araka ny tokony ho izy ny fiara raha ny fanadihadiana. Tomponandraikitra voalohany amin’izany ny kaominina Antananarivo araka ny fizaran’asa anatin’ny bokinan’andraikitry ny fitaterana.

Fiarovana ny fananana iombonana : mitazam-potsiny ny CUA

0
Mitazam-potsiny ny mpitantana ny tananan'Antananarivo manoloana ny fisiana andian'olona manimba ny fananana iombonana, toy ny lalana. Ankoatry ny fikaofan'olona ny sisin'arabe eny amin'ny lalana Ivato-Tsarasaotra, kaofin'ireo mpanao biriky ihany koa ny sisin'ny fefiloha.

PAC : orinasa « PETA », nahatratra 140 miliara Ariary ny volam-bahoaka nahodiny

0
Rahampitso Talata faha-27 aogositra no hifarana ny fotoam-pitsarana voalohany amin’ny ady heloka bevava eny anivon’ny PAC na Pôle Anti-Corruption. Raharaha 12 no notsaraina nandritra ity fotoam-pitsarana voalohany ity. Fanampim-panazavana.

Torolalana amin’ny fizahantany : hivoaka ny septambra ho avy izao

0
Hivoaka ny volana Septambra ho avy izao ny torolalana ho an'ireo mpampiasa vola eo amin'ny sehatry ny fizahantany. Torolalana natao hanamorana ny fanatanterahana tetikasa ary fandraisana anjara amin'ny fanatanterahana ny Politika ankapoben'ny fanjakana eo amin'ny sehatry ny fizahantany.

Taom-pianarana 2019 – 2020 : hanomboka ny alatsinainy 28 oktobra

0
Hanomboka ny alatsinainy 28 oktobra ny taom-pianarana 2019-2020 hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak'asa androany nandritra ny andron'ny mpanabe notanterahina teny Mahamasina. Ankilan'izay, efa tonga any amin'ny fobiem-panadinana avokao ny laza adina hiatrehana ny CEPE ny talata ho avy izao.

« Traversée de Tana » : notontosaina androany

0
Ireo fiara sy moto tany alohan’ny taona 80 tany indray no entin’i Henri Florien aminao ao anatin’ity fanadihadiana manaraka ity, izy ireo izay nanao hetsika fampafantarana androany.

Edito du 24 aogositra 2019

0
Tsy mitoetra intsony ho an'ny mpitantana ny tananàn' Antananarivo ny filamatra hoe : ny arabe ho an'ny fiarakodia, ny sisin-dalana natokana ho an'ny mandeha an-tongotro ary ny tsena no toeram-pivarotana fa dia nomeny fahazoan-dalana hanohy ny gaboraraka hanoko entam-barotra eny amoron-dalana ny mpivarotra. Fanazaran-dratsy hakany @ fanakorontanana, izay tsy azo ekena n'a inona fanamarinan-tena ataon'ny mpitantana an'Antananarivo Renivohitra.

Lalana Arivonimamo – Manalalondo : hamboarina ahafahana mamoaka ireo vokatra

0
Hanomboka tsy ho ela ny fanamboara ny lalana mampifandray an'Arivonimamo sy ny Manalalondo hoy ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy omaly, nandritra ny fandalovany tao amin'ny kaominina Alakamisikely, distrikan'Arivonimamo.

Federation Malagasy de Football : lany ho filoha i RABEKOTO Raoul Arizaka

0
Tontolon'ny fanatanjahantena indray kosa, lany ho filohan'ny Fédération Malagasy ny Baolina kitra i REBEKOTO Raoul Arizaka nandritra ny fifidianana izay ho filohan'ny federasiona androany tany Ifaty Toliary, izy araka izany no hitantanana ity federasiona ity ao anatin'ny efatra taona manaraka.