vendredi 03 mai 2024
Accueil 2019 août

Archives mensuelles: août 2019

Mponina ambanin’Ampamarinana : hafindra eny Isotry

0
Hafindra eny Isotry rahampitso ireo fianakaviana maro avy eny ambanin'Ampamarianna noraisina teny amin'ny Village Voara. Ireo mponina izay nanamafy fa tsy hiverina eny Ambanin'Ampamarinana intsony noho ny loza mitatao eny an-toerana.

Fizarana karatany – MAHTP : tontosa androany ny tao amin’ny Kaominina Alakamisikely

0
Mitohy hatrany ny asan'ny minisiteran'ny fanajariana ny tany ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy. Tamin'ity androany ity, notanterahana tao amin'ny kaominina Alakamisikely, Distrikan'Arivonimamo ny fizarana karatany miisa 2 400. Hetsika izay tanteraka vokatry ny fiaraha-miasan'ny fanjakana sy ny tetikasa CASEF.

Tsaratanàna sy Maevatanana : notanterahina tany ny vina laharana voalohany

0
Mitohy hatrany ny fanatanterahan’ny fitondram-panjakana ny vina napetraky ny filohan’ny repoblika. Tamin'ity anio ity dia nidina ifotony tany amin'ireo faritra mafana roa ao anatin'ny faritra Betsiboka , Tsaratanana sy Maevatanana ny filohan'ny repoblika Andry Rajoelina.

Antenimierandoholona : nahemotra ny fandaniana ny lalàna mifehy ny mpanohitra

0
Nahemotra ny fandaniana ny lalàna mifehy ny mpanohitra izay naroso nodinihina sy nolaniana teny amin'ny Antenimerandoholona androany. Miandry ny fivoriana tsy ara-potoana manaraka na miandry ny fivoriana ara-potoana ny volana oktobra ho avy izao araka izany ny fandaniana io lalàna io eny amin'ny Antenimierandoholona.

Kianja Soamandrakizay : efa vita ny 95% ny asa no vita

0
95% ny asa ao amin’ny Kianja Soamandrakizay Androhibe no vita 15 andro mialohan’ny hahatongavan’ny Papa François eto Madagasikara. Manana velarantany70ha i Soamandrakizay, izay tany ngazana tany aloha. Vantany vao fantatra fa hitsidika an’i Madagasikara i Papa Ray Masina dia nirosoana avy hatrany ny asa fanajariana ny toerana. Fanampim-panazavana.

Fitantanana an’Antananarivo Renivohitra : goragora sy gaboraraka tanteraka

0
Fitantanana gaboraraka izay no andikan'ny vahoaka ny fitantanana ny tananan'Antananarivo Renivohitra amin'izao fotoana izao. Na izany eo amin’ny fifamoivoizana na eo amin’ny fivarotana sy ny fanadiovana ny tanàna tsy misy mizotra amin'ny laonany ny fomba fitantanana.

Fifidianana kaominaly : namoaka ny heviny ny HCC

0
Taorian’ny fangatahan’ny Praiminisitra ny hevitry ny HCC tamin’ny Talata lasa teo momba ny hanoloana ireo Ben’ny tanàna sy mpanolontsaina lany fe-potoam-piasana ny lefitry ny Ben’ny tanànana dia namoaka ny heviny io takariva io ny HCC. Fanampim-panazavana.

Famatsiana ranon’ny JIRAMA : mizotra amin’ny famahana olana

0
Ao anatin'ny fanamaivanana ny olan'ny famatsian-drano eto Antananarivo amin'izao fotoana izao ireo tomponandraikitra eo anivon'ny JIRAMA. Maro lafy ireo vahaolana raisina ho famaliana ny hetahetan'ny mpanjifa.

Filohan’ny mpanohitra : tsy tokony hivoaka ivelan’ny Antenimiera

0
Nolanian'ireo solombavambahoka teny Tsimbazaza omaly ny lalàna mifehy ny mpanohitra sy ny antoko mpanohitra eto amintsika. Tsy tokony hivoaka ivelan'ny antenimierampirenena ny filohan'ny mpanohitra raha ny fanehoankevitr' ireo solombavambahoaka.

Vola nampidirin’ny fadintseranana : 1 562.6 miliara Ariary ny 7 volana voalohan’ny taona 2019

0
Isany mampidi-bola betsaka ao anatin'ny kitapom-bolam - panjakana ny fadintseranana. Miankina betsaka amin'ny tahan'ny fanafarana entana amin'ny ankapobeny no ahafahana mampitombo na mampihena izany raha ny fanazavan'ny mpahay toekarena nanaovana fanadihadiana.