vendredi 03 mai 2024
Accueil 2023 mars

Archives mensuelles: mars 2023

FANAVAOZANA NY LISIM-PIFIDIANANA : maro ny ahiahin’ireo antoko politika amin’ny dingana rehetra natao   

0
Nanamafy ny ahiahiny manoloana ny tsy fahatomombanana maro tsikaritra ao anatin’ny fanavaozana tanteraka ny lisim-pifidianana ireo antoko politika tonga namaly ny antson’ny sehatra mpanara-maso ny fifidianana Safidy androany. Anisan’ny feo niraisan’ireo mpanao politika ny hoe azo antoka hanatontosana fifidianana ve io lisitra vaovao izay mbola kirakiraina hatramin’izao io. Fanontaniana izay tsy mbola nisy valiny hatreto.

SOS Vanille : mitaky ny hanafoanana ny CNV sy ny fanalalahana ny sehapihariana

0
Nanome fe-potoana 72 ora ny fitondram-panjakana indrindra ny minisiteran’ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana hanafoana ny CNV na ny Conseil National de la Vanille sy ireo fepetra isan-tokony tsy mampisy ny fanalalahana ny sehapihariana lavanila ankehitriny ny SOS Vanille, izay vovonana ivondronan’ireo mpisehatra any amin’ny faritra SAVA, araka ny fanambaran’izy ireo androany. Efa maherin’ny 5 arivo hatramin’ny androany ireo nanao sonia ny fanambarana ary manaiky ny firosoana amin’ny hetsika mafimafy kokoa raha tsy misy valiny mahafapo avy amin’ny fanjakana.

Taom-baovao Malagasy : nanomboka androany ny fankalazana

0
Tontosa ny nanomboka ny hariva teo tetsy amin’ny kianjan’ny Kanto Mahamasina ny alin'ny fifohazana handraisana ny Taom-baovao Malagasy. Nisy nandritra izany ny fandraisana ny afo tsy maty. Teo koa ny hetsika samihafa niarahan’ny vahoaka niara-nifaly.

COVID-19 : tokony hapetraka sy harahina hatrany ireo fepetra sakana

0
Tsy nahaliana ny ankamaroan’ny Malagasy hatramin’izao ny firosoana amin’ny fanaovam-baksiny fanefitry ny Covid-19. Mbola misy ary mitoetra eto amintsika ankilany ny valan’aretina ary betsaka ireo marary ahiahiana hitondra azy tonga manao fizaham-pahasalamana eny anivona mpitsabo tsy miankina iray raha ny fanadihadiana natao.

Antoko politika : tsy manaiky hiray tsikombakomba amin’ny asa tanterahan’ny CENI

0
Nivoaka ny efitrano ireo Antoko Politika maro izay nasain’ny Ceni hanatrika ny fitsirihana ny antotan-kevitra ara-kajimirindra mirakitra ny lisitry ny mpifidy. Isany anton’ny fanapahan-kevitra ny tsy faha fenon’ny fepetra hanatanterahana io fitsirihina io. Eo ihany koa ny paikady ampiasaina ahazoana ny fankatoavan’ireo antoko politika amin’izao asa ataon’ny Ceni izao.

Hetra madiodion’ny kaominina : tsy narotsaky ny tahirim-bolam-panjakana nanomboka ny taona 2022

0
Mitombo ny fijoroana vavolombelona ataon’ireo kaominina voakasiky ny figiazan’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola ny hetra tokony hiverina azy ireo. Isan’izany ihany koa ny kaominina Alasora izay ny volana jona 2022 no nisitraka farany ny anjara hetrany. Azo adika ho fametrahan’ny fitondram-panjakana foibe ny CENTRALISME BUDGETAIRE ny zava-misy mahakasika ny fitantanana ny volan’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ankehitriny, hoy ny mpisehatra ara-politika.

Asan’ny Governora : mitaraina avokoa ny ankamaroan’ny faritra ankehitriny

0
Mitaraina avokoa ny faritra rehetra noho ny faharatsian’ny lalana ka tsy hahafahana mivezivezy sy mamoaka ny vokatra amin’izao fotoana. Fanontaniana apetrak’izy ireo ny hoe : inona no andraikitra napetraka amin’ireo Governora raha tahaka izany no zava-misy iainana isaky ny faritra.

MPIANATRA VONTOVORONA : tsy misy indray ny « codis » hoy ny oniversiten’Antananarivo

0
Tsy misy indray ny CODIS hoan’ireo mpianatry ny polytechnique miisa 4 voatonona anarana tao anatin’ny taratasy niparitaka tamin’ny tambazotran-tserasera taorian’ny grevin’ny mpianatra ny faha-7 ny volana Martsa lasa teo, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitry ny oniversiten’Antananarivo androany, rehefa tonga hiatrika izany niaraka tamin’ny mpisolo vava azy ireo mpianatra.

CENI : tsy mihemotra amin’ny fanapahan-keviny na eo aza ireo tsikera

0
Na eo aza izay tsikera sy soso-kevitra naroson’ireo antoko politika nanao fanambarana iombonana androany teny amin’ny foiben’ny CENI, tsy nihmotra tamin’ny fanapahan-keviny ity vaomiera ity. Tsy mbola misy resaka ny fitsirihina ny rindrambaikon ara-kajimirindra na ny logiciel ampiasain’ny Ceni hatramin’izao.

SMM : tsy ekena ny fanomezana baiko ireo mpitsara, indrindra ny ady amin’ny kolikoly

0
Mikorosy fahana ny tontolon’ny Fitsarana eto Madagasikara amin’izao fotoana hoy ny eo anivon’ny SMM na ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara.  Araka izany, namoaka fanambarana miantso fandraisana andraikitra amin’ny Filan-kevitra ambonin’ny Fitsarana ny Sendika.