dimanche 19 mai 2024
Accueil 2018 août

Archives mensuelles: août 2018

Lisi-pifidianana : miandry ny fiverenany eny anivon’ny fokontany ny vahoaka

0
Efa vonona tanteraka amin'ny firosoana amin'ny fifidianana ny vahoaka eny anivon'ny fokontany amin'izao fotoana izao saingy mbola mitebiteby ny amin'ny mety tsy hahatafiditra ny anaran'izy ireo any anaty lisi-pifidianana taorian'ilay fanamarihana ny anarana tamin'ny farany teo.

« Déchets Radioactifs » : hasiana toerana fanangonana manokana

0
Noresahina nandritra ny filan-kevitry ny minisitry tamin’ny Talata faha-14 aogositra lasa teo fa hasiana toerana manokanana hanangonana azy ny « Déchets Radioactifs » eto Madagasikara. Tranga izay niteraka fanontaniana maro tamin’ny mpanara-baovao.

Anatihazo Isotry : tsy voafehy ny fanorenena tsy ara-dalana sy ny tsy fandriampahalemana

0
Tsy voafehin'ny tompon'andraikitra misahana ny tontolon'ny fanatsara ny tanana indrindra fa ny tontolon'ny fanadiovana sy ny fanatsarana lakandrano eo ihany koa ny fanorenana tsy ara-dalana ny eo anivon'ny tananàn'Antananarivo, tsy mahavita ny asany ny SAMVA sy ny kaominina na efa manao ny anjarany aza ny eo anivon'ny Fokontany.

Fitsinjarana ny anjara fitenenana amin’ny fahitalavi-panjakana : ho fantatra amin’ny herinandro

0
Rehefa tsy tafapetraka ny ANRCM, ny CENI no handray an-tanana ny fitsinjarana ny anjara fitenenan’ireo kandida amin’ny amin'ny haino aman-jerim-panjakana amin'ny fifidianana filohampirenena. Aorian’ny atsapaka ny laharan’ireo kandidà afaka herinandro no hahafantarana izany. Miankina amin’ny isan’ny kandidà no ahafahana mamaritra izany ho an’ny fitenenana ao amin’ny fahitalavim-panjakana.

Fokontany Antanimarina – Kaominina Ankadinandriana : nahazo EPP vaovao

0
Nahazo EPP vaovao ny fokontany Antanimarina ao amin’ny kaominina Ankadinandriana. Vy nahitana sy angady nananana ny fanamboarana ny sekoly ny fikambanana « Construisons  pour Madagascar » sy ireo mponina eto Antanimarina. Hisokatra amin’ny taom-pianarana ho avy izao ny sekoly ka hanampy amin’ny fampihodonana izany ny antoko Malagasy Miara-Miainga.

Vahiny mitrandraka volamena – Vohilava Mananjary : miverina miasa indray, hoy ny mponina

0
Miverina miasa indray ny orinasa vahiny Mac Lai Sim Gianna izay manao ny fitrandrahana volamena ao Vohilava Mananjary, hoy ireo mponina any an-toerana. Amin'ny andro alina ireo vahiny no miasa raha ny fanazavana.

Toerana ahazoan’ny mpandeha tongotra hiampitana : tsy voahaja intsony

0
Ny mikasika ny fiampitana ara-dalàna na « Passage clouté » indray ny fanontaniana nanaovan’ny « Agence Capsule » iarahana amin’ny kolo TV fanadihadiana tamin’ity inday mitoraka ity. Nanambara ny ankabeazan’ny olompirenena nanontaniana fa mùaro ny mpitondra fiara tsy manaja ny lalàna mifehy ny « Passage clouté » izay.

Fifidianana : ireo tsara ho fantatra manodidina ny fifidianana

0
Efa ao anatin’ny fikarakarana sy fanomanana ny fifidianana ankehitriny ny eto amintsika. Telo volana latsa kely mialoha ny hanatanterahana izany dia indro atolotra anao ireo tsara ho fantatra manodidina io fifidianana Filohampirenena izay ho tontosaina amin’ny Alarobia faha-7 ny volana novambra ho avy izao io.

ENMG : aiza ho aiza ny tohin’ilay fandorana porofo ?

0
Isan’ireo fifaninanana be kolikoly ny fifaninanana hidirana ao amin’ny ENMG na ny Sekoly ambony mpanofana ho mpitsara sy mpiraki-draharaha, araka ny tatitra nataon’ny Bianco tamin’ny taona 2017. Ankehitriny, manambara ho manao ezaka lehibe hiadiana amin’ny kolikoly ny tomponandraikitra iray ao amin’ity sekoly ambony ity.

Fanamboarana Chips Akondro : asa tena mahavelona

0
Ny fanamboarana Chips , toy ny mahazatra dia ny asa mahakasika izay fanamboarana chips izay indray no entina aminao ato anatin'ity fanadihadiana