Accueil 2018 août

Archives mensuelles: août 2018

Trondro maina : mahahenika ny tsena anatiny ny vokatra

0
Miankina betsaka amin'ny toetry ny andro ny fandraharahana eo amin'ny sehatry ny trondro maina. Niakatra ny vokatra miodina amin'ny tsena anatiny tamin'ity taona ity raha ny fanadihadiana natao. Ilaina ny fiofanana mialohan'ny idirana amin'ity sehatra ity hampateza ny trondro maina raha ny fanazavana.

Andry Nirina RAJOELINA : hitondra fiovana hoan’i Madagasikara

0
Nanambara tamin'ny fomba ofisialy omaly fa hirotsaka ho fidiana Filohampirenena ny Filohan'ny tetezamita teo aloha Andry Nirina RAJOELINA nandritra ny fihaonany tamin'ny vahokan'Antananarivo tetsy amin'ny lapan'ny fanatanjahantena mahamasina.

Fampiakarana saran-dalàna 500 Ariary : zotra maro no nampihatra izany nanomboka omaly

0
Tsy nilefitra hatramin’ny farany mahakasika ny fampiakarana ny saran-dalàna ny teo anivon’ny FMA na ny Fitaterana Mendrika ho an’Antananarivo. Zotra maro teto andrenivohitra no nampihatra ny saran-dalàna 500 Ariary omaly.

Fitokonan’ny mpiasan’ny ministeran’ny varotra : tsy misy ny “service minimum”

0
Mitaky ny fanovana an'ireo tomponandraikitra isan-karazany ao amin'ny ministeran'ny varotra ireo mpiasa eo anivon'ity ministera ity . Anton’izany raha ny fanazavana ny fanaovana ramatahora sy tsindry amin’ireo mpiasa . Nanomboka ny alatsinainy teo izy ireo no nanao ny fitokonana . Tsy misy ny “service minimum” raha tsy misy ny vahaolana mazava avy amin'ny tomponandraikitra.

Vidin-tsolika : niakatra 50 Ariary isaky ny litatra

0
Niakatra 50 Ariary isaky ny litatra indray ny vidin-tsolika nanomboka omaly. Ahiana hatrany izay fiakaran’ny vidin-tsolika, mandrapahatratrarana ny vidiny tena izy.

Fitantanana ny fari-dranomasina : hohatsaraina ny fomba fiasa

0
Tsy nanana politika mazava nitantanana ny fari-dranomasina i madagasikara hatramin'izay. Vokany, tsy voatrandraka araka ny tokony ho izy ny harena andranomasina samihafa. Hiara-hifarimbona amin'ny famolavolana drafi-panajariana ny fari-dranomasina manombok'izao ny eo anivon'ny minisiteran'ny fanajariana ny tany sy ny jono

Distrikan’I Tsaratanàna : ahiana ny firongatry ny asa fakàna an-keriny

0
Raha mitohy ny tsy fandraisana andraikitra ataon'ny mpitondra fanjakana, ahiana hitohy ary tsy ho voafehy intsony ny firongatry ny fakana an-keriny any distrikan’I Tsaratanàna hoy ny solombavambahoaka avy any an-toerana. Ity farany izay nanamafy fa tsy marina akory ny feo mandeha manoloana ny tsy fanehoan-kevitra avy aminy momba ny toe-draharaha any an-toerana. Fanadihadihana.

Taolagnaro : lasa fanjakana kely ao Taolagnaro ny QMM

0
Lasa fanjakana kely ao Taolagnaro ny orinasa QMM amin'izao fotoana hoy ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana. Tsy voahaja ny taratasy fifanarahana tamin'ny vahoaka, aiditra am-ponja ireo lohandohany amin'ny fitakiana ny zony, ary mibaiko ny tomponandraikitra any an-toerana araka ny maha mety azy ny orinasa.

Fitombon’ny harikarena faobe : tsy mipaka amin’ireo any ambanivohitra

0
4.2% ny tahan’ny harikarena faobe ny taona 2017 raha ny tatitra mikasika ny fivoaran’ny toekarena eto Madagasikara nataon’ny banky iraisam-pirenena androany. Izay fitombon’ny harikarena faobe izay anefa izay tsy mipaka amin’ireo olona any amin’ny toerana ambanivohitra raha ny fanadihadiana.