dimanche 19 mai 2024
Accueil 2018 août

Archives mensuelles: août 2018

Krizy – Fifidianana : olana ny tsy fisian’ny fifampitokisana

0
Ny tsy fisian’ny fifampitokisana amin’ny mpiantsehatra rehetra mikasika ny fifidianana no antony hiverenan’ny krizy politika hatrany eto Madagasikara, indrindra ny krizy aorian'ny fifidianana raha ny fanazavana. Betsaka ny pitsopitsony miteraka io tsy fahatokisana io hoy ny manampahaizana amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena, isan’izany ny eo anivon’ny HCC.

Asa tena : ny fanajana mpanjifa no tsiambaratelo

0
Asa miavaka iray indray no entina aminao anohizana ny fampalalam-baovao . Ny fanaovana soudure na ihany koa ireo manao asa tanana momba ny vy. Ny mahakasika izay indray no entina aminao amin'ity fanadihadina manaraka ity.

Fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana : tsy tokony hialokaloka amin’ny resaka politikam-panjakana

0
Raha toa ka ny 08 oktobra hatramin’ny 6 novambra no fotoanan’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana filohampirenena, Ny filazana hoe « fidio aho » no tsy mbola azo atao amin’izao fiatrehana ny fotoana alohan’ny fampielezan-kevitra izao hoy ny CENI. Ankilany, tsy tokony ho saromana amin’ny politikampanjakana ny vina entin’ny antoko na mpanao politika iray amin’izao fotoana ankatoky ny fifidianana izao raha ny fanazavan’ny mpandinika politika nanaovana fanadihadiana.

QMM : mihamafana ny toe-draharaha eo amin’ny tompon’ny tany sy ny orinasa.

0
Mihamafana ny toe-draharaha eoamin'ny tompon'ny tany sy ny Orinasa QMM amin'izao fotoana. Samy manana ny filazany ihany koa ny mponina ka mety hiafara amin'ny fifandonana raha tsy misy fandraisana fepetra.

ANRCM : ny CENI no hanao ny asany

0
Ny CENI no hanantanteraka ny asan’ny ANRCM . Izay no fanazavana nomen’ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny serasera androany. Antony raha ny fanazavana , ny fangatahan’ny HCC ny hanaovana lalàna mikasika marina ny fahaleovantenan’ity rafitra ity. Ny famerenana izany eny amin’ny Antenimierampirenena anefa tsy ho tratra intsony.

Augustin Rakotomanga (sendika-Air Madagascar) : mila fitsaboana any ivelany

0
Ny tsy fahampian’ny fitaovana hahafahana mitsabo ny aretin’ny voa eto amintsika no manery ny fandefasana olona hanaraka fitsaboana any ivelany raha ny fanazavan’ny mpitsabo nanaovana fanadihadiana. Tranga izay mahazo ny iray amin’ireo mpitarika sendikaly teo anivon’ny airMadagascar ankehitriny izay tsy mbola naverin’ny fanjakana hiasa tato anatin’ny 38 volana. Tomponandraikitra feno amin’ny fijerena ny toe-pahasalamany ny fitondrampanjakana raha ny fanadihadiana natao.

Kolikoly : Ampahany amin’ny raharaha Claudine R. no any amin’ny rafi-pitsarana Pôle Anti-Corruption

0
Efa any amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly vaovao na ny pole anti-corruption ny ampahany betsaka aizay vita fanadihadiana amin’ny raharaha fanodikodinana volampanjakana Claudine Razaimamonjy raha ny fanadihadiana natao. Mbola hisy ny fanadihadiana sy fisamborana ireo tomponantoka nahatontosa izay kolikoly avo lenta izay raha ny fanazavana.

Tsy fironana politikan’ny tomponandraikim-panjakana : antoky ny fifidianana mangarahara

0
Malaza, ary miverimberina matetika tato ho ato, ny amin’ny tsy tokony hisian’ny fironana politika eo amin’ny tomponandraikim-panjakana mandritra ny fifidianana. Maro ny mihevitra fa antoky ny fifidianana madio, mangarahara ary ho eken’ny rehetra ny vokany ny tsy fisian’izany fironana politika eo amin’ny tomponandraikim-panjakana izany. Manamafy izany ny mpahay lalàna nanontaniana momba izany

Asa tanana : ny fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa no tsiambaratelo

0
Araka ny mahazatra dia fanadihadiana mahakasika ny asa tena iray indray no ho entina aminao amin'ity fanadihadiana manaraka ity. Ny fanamboarana Corniche, ny tsena manodidina an'izay sy ny dingana hahatonga azy ho Corniche no arahinao amin'ity fanadihadiana ity.

Saran-dalàna 500 Ariary : manomboka mikaikaika ny mpandeha

0
Manomboka mikaikaika amin’ny fampiharana ny saran-dalàna 500 Ariary ny mpampiasa fiara fitateram-bahoaka. Araka ny fanazavana, mavesatra amin’ny fahefa mividin’ny isan-tokatrano ny fandaniana amin’ny saran-dalàna.