mercredi 08 mai 2024

Archives mensuelles: mai 2020

Kaominina Manandriana : hamafisina ny fepetra hisorohana ny Coronavirus

0
Hamafisina ny fampiharana ireo fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny valan’aretina Coronavirus ao amin’ny kaominina Manandriana, distrikan’Avaradrano. Ny fampandraisan’andraikitra ireo sefo fokontany sy ny komity loharano no isan’ny paikady amin’izany.

SAMBAVA : nomena fanampiana ireo manana fahasembanana

0
Amin’izao fihibohana vokatry ny Coronavirsu izao, nomena fanampiana hanamaivanana ny fahasahiranana ireo manana fahasembanana mivondrona ao anaty fikambanana ao Sambava. Fanampiana avy amin’ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara no ezahina ho tsinjaraina hoy ny Governoran’ny faritra ary ezahina hahazo ny anjarany avokoa ireo sembana ao anatin’ny Distrika 03 hafa.

Vilany gasy : tsy mandeha ny tsena

0
Mahatsiaro ho maty antoka ireo mpivarotra vilany gasy sy fitaovam-pihinanana vita avy amin’ny aluminium, manoloana ny toe-draharaha ankehitriny. Zara raha mahazo telo arivo ariary izy ireo ao anatin’ny iray andro.

Artemisia : tsy zava-baovao amin’ny tontolon’ny fitsaboana

0
Mitsabo aretina maro ny artemisia ary tsy zava-baovao amin’I Madagasikara ny fampiasana izany raha ny nambaran’ny Mpitsabo efa nanao fikarohana momba ny zava-maniry. Tsy tokony hisy fiantraikany amin’ny fahasalamana izany rehefa manaraka ny fetra na ny dose napetraka ny fampiasa azy raha ny fanazavana.

Artemisia : mitohy ny asa fikarohana hanatsarana ny kalitao

0
Mitohy ny asa fikarohana ahafahana manatsara ny famokarana Artémésia eto Madagasikara. Androany nijery ny fizotry ny fikarohana tao Faharetana, Kaominina Morarano, Distrikan’Arivonimamo ireo tomponandraikitra any an-toerana.

OMS : « mety hanasitrana ny coronavirus ny Artemisia »

0
Namoaka fanambarana ny OMS na ny Organisation mondiale de la santé, tamin’ny alalan’ny tranokalam-pifandraisany sy ny tambazotran-tserasera, fa mety hanasitrana ny Coronavirus ny zava-maniry toa ny Artemisia, saingy kosa mila atao ny handrana hahafahana mijery hoe hatraiza ny fahomboazany. Namafisin’izy ireo ihany koa fa manohana ny fikarohana sy fitsaboana nentim-paharazana ny OMS.

FAHASALAMAN’NY MPIASA : aretina tsotra ihany no raisin’ny OSTIE an-tanana

0
Maro amin’ny aretina mpahazo ny mpiasa sy ny fianakaviana no tsy raisin’ny OSTIE an-tanana. Voakasik’izay ireo aretina sarotra sy mila fandidiana raha ny nambaran’ny tomponandraikitry ny OSTIE nanaovana fanadihadiana, isany tsy raisiny an-tanana ihany koa ny marary voan’ny APPENDICITE izay tsy maintsy mandalo fandididiana araka ny fijoroana vavolombelona nataona mpiasa iray. Takian’ireo mpiasa manoloana io ny fampahafantarana ny tolotra omen’ny OSTIE ny mpikambana tsy hisian’ny savorovoro sy ny marohafa.

ANTENIMIERAMPIRENENA : hotanterahina eny Ivato ny fivoriana ara-potoana

0
Hotanterahana eny amin’ny CCI IVATO manomboka rahampitso faha-5 ny volana May ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Solombavambahoaka ho an’ny taona 2020. Ankoatran’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana, isany hojerena mandritra izany ihany koa ny mahakasika ny famatsiam-bola rehetra azon’i Madagasikara avy amin’ny mpiara-miombon’antoka nandritra ny fotoana nampisy ny Covid-19. Ny hisian’ny mangarahara hatrany no tanjona raha ny fanazavana.

Kilasy tsy manala fanadinana : mitohy ny fanomezana enti-mody ny mpianatra

0
Mitohy ny fanomezana enti-mody ny mpianatra ho an’ny kilasy tsy manala fanadinana. Ankoatran’ny enti-mody mifandraika amin’ny lesoka nomena tany ampianarana, misy ny fikarohana ampanaovina ny mpianatra. Miankina betsaka amin’ny fandaharam-potoanan’ny Raiamandreny arak’izany ny fanarahamaso ny mpianatra tsy mbola miverina an-tsekoly ankehitriny.

Covid Organics : niainga anio ny fanomezana ho an’ireo firenena Afrikanina hafa

0
Ny tolakandro teo no nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny fiaramanidina manokana niraisan’ny Congo sy Centrafrique haka ny tambavy CVO, izay fanomezana avy amin’ny fitondram-panjakana malagasy. Maika ny famonjena ain’olona amin’ireo firenena roa ireo raha ny nambaran’ireo delegasiona. Velom-panantenana tanteraka ny firenena roa tonta amin’ny vokam-pikarohana CVO malagasy.