Accueil 2018 août

Archives mensuelles: août 2018

Suivi fitrandrahana Vohilava

0
Manome fe-potoana herinandro ny tomponandraikim-panjakana sy ny orinasa vahiny Mac Lai Sim Gianna ireo vahoaka ao amin'ny kaominina Vohilava hanesorana ireo milina mitrandraka volamena any an-toerana. Antony, voahitsakitsaka ny zon'olombelona, simba ihany koa ny fiharian'ny mponina.

UCTU

0
Kaoperativa miisa 28 amin'ireo 42 nanatrika ny fivoriana izay nataon'ny uctu no nifanaraka hampakatra ny saran-dalana ho 500 Ar saingy ny 6 amin'ireo ihany aloha no hampihatra izany avy hatrany amin'ny voalohan'ny volana septambra ho avy izao, ny sasany kosa mbola miandry ny fahazoana ny compensation izay vao hampihatra izany fampiakarana saran-dalana izany.

CAFE

0
Tsy ampy ho an'ny tsena anatiny intsony ny vokatra cafe eto amintsika raha toa ka isan'ny nanondrana izany betsaka i Madagasikara 30 taona tany aloha. Vokany ny fanafaran'i Madagasikara café avy any ivelany. Ny tsy fisian'ny politika ho an'ny famokarana sy fambolena no isan'ny anton'izay hoy ny vahiny nasaina tao amin'ny Journal de l'économie teto amin’ny KOLO TV.

CENI Fianarantsoa

0
Fepetra maromaro mifehy ny fiomanana mialohan’ny fifidianana na ny pré-campagne no tsy hajain’ireo kandidà sasantsasany hatreto. Isan’izany ny fampielezankevitra mialoha ny fotoana, fa eo ihany koa ny fampiasana ny fitaovam-panjakana hanaovana izay pré-campagne izay.

Déchets radioactifs

0
Mbola miteraka ahiahy eo amin’ny vahoaka Malagasy sy ny fiarahamonim-pirenena sasany ny momba ilay tatitry ny Filankevitry ny Minisitra ny amin’ny handevenana ireo « Déchets radioactifs » eto Madagasikara. Manazava ny maha-samihafa ny akora simika ampiasaina amin’ny fiainana andavanandro sy ny « Déchets radioactifs » ny tomponandraikitra iray ao amin’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana.

Filohampirenena mpisolo toerana: tsy tokony hamatotra ny firenena

0
Ankoatra ny fanapahan-kevitra amehana tsy maintsy ho raisina ho an’ny tombontsoampirenena na ny décision d’urgence. Ny fanohizana ny politikam-panjakana no andraikitra goavana sahanin’ny filohampirenena mpisolo toerana izay handray fahefana tsy ho ela. Tsy tokony hisy kosa ny famatorana ny firenena amina fifanarahana samihafa. Tsy azon’ny filohampirenena mpisolo toerana atao ihany koa ny manala na manendry mpisampanjakana ambony. Andinin-dalana maro voarakitra ao amin’ny lalampanorenana ihany koa no tsy azony ampiharina.

Zaridaina MAE

0
Ataon'ny zokiolona ho fitsaboan-tena etsy amin'ny zaridaina Anosy manoloana ny minisiteran'ny raharaham-bahiny amin'izao fotoana izao. Ireo zokiolona manana ny aretina tosi-drà sy diabeta no mandeha tongotra miodokodina eto mandritra ny ora iray isan'andro.

PRM

0
Nandritra ity herinanadro ity dia nisalovanin’ny Filohampirenena avokoa ny asan’ny governemanta tamin’ireo fitokanana zava-bita sy fanombohana asa. Tamin’ny androany, dia ireo fotodrafitrasa natombokon’ny governemanta teo aloha, ary tsy tao anatin’ilay tetikasan’ny Filohampirenena akory no notsidihin’ny Filohampirenena teny amin’ny Kaominina Ivato distrikan’Ambohidratrimo.

Liaraike

0
Vonona ny hanohana ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry RAJOELINA amin’ny fifidianana filohampirenena ny Antoko LIARAIKE araka ny fanambaran’izy ny Zoma faha-24 aogositra lasa teo. Araka ny fanazavana, mifandraika amin’ny fotokevitra sy ny vinam-pampandrosoana napetraky ny Liaraike ny IEM na ny vinam-pampandrosoana ho an’I Madagasikara.

Fifaninanana hidirana ho mpiasam-panjakana : hamafisina ny fanarahamaso sy ny fitsirihana

0
Nanatanteraka fidinana tampoka teny amin’ny Sekoly manofana ho mpiasam-panjakana ny ny ENAM Androhibe omaly Alakamisy faha-23 aogositra tolakandro ny minisitry ny asam-panjakana. Tanjona ny fitsirihana sy ny fanarahamaso ny fitsarana sy ny fikirakirana ny naoty tamin’ny fifaninanana hidirana ho mpiasam-panjakana ny faha-31 jolay lasa teo.