Accueil 2018 août

Archives mensuelles: août 2018

Insecurite Betroka

0
Saika manerana ny nosy ankehitriny no miaina ao anatin'ny tsy fandriam-pahalemana. Tafiditra ao anatin'izany ny kaominina Ambatomivary ao anatin'ny distrika Betroka. Tao anatin'ity volana ity 20 ireo vahoaka namoy ny ainy ary manodidina ny 600 ireo omby very, eo ihany koa ny fandorona trano ataon'ireo dahalo. Manao antso avo amin'ny fitondrana mahefa araka izany ny ben'ny tanana any an-toerana mba hijerevana akaiky ity olan'ny tsy fandriam-pahalemanana

Tontolon’ny jono eto Madagasikara : teboka maro no tokony hatsaraina

0
Teboka maro no mila hatsaraina eo amin'ny sehatry ny jono araka ny nambaran'ny teo anivon'ny ministeran'ny jono. Isan'ny lehibe amin'izany ny lafiny fitantanana.

Lisitry ny kandidà ho Filohampirenena : samy manana ny heviny ny olompirenena

0
Samy manana ny heviny ny olompirenena manoloana ny lisitry ny kandidà filohampirenena navoakan'ny HCC ny Alarobia faha-22 aogositra lasa teo. Etsy ankilany nanambara ny teo anivon'ny ARMADA fa manamafy ny fahafenoan'ny teboka hirosoana amin'ny fifidianana ny fivoahan'io lisitra io.

Antoko Maitso

0
Tahak'ireo fikambanana sy antoko maro samihafa efa manohana ny kandida Andry RAJOELINA, nanambara am-pahibemaso ny hanohana azy ihany koa ny antoko Maitso izay tarihin' Andriamatoa Georget Alexandre ny Zoma faha-24 aogositra maraina teo, ny vina IEM izay hoetin'ny Andry RAJOELINA amin'ny ankapobeny no naharesy lahatra azy ireo hanohana azy.

Voka-panadinana CEPE Antananarivo Renivohitra : nahitam-piakarana 17,35 %

0
Nivaly ny Talata hariva faha-21 aogositra teo ny voka-panadinana CEPE ho an'ny teto amin'ny foibem-panadinana rehetra ato Antananarivo Renivohitra, niakatra ho 73,61 % raha 56,26 %

CHEMOBS : tetikasa vaovao hanentanana ny fiarovana amin’ny fampiasana akora simika

0
Nanomboka omaly ary hifarana anio Alakamisy faha-23 aogositra ny dinikasa iraisan’ireo tomponandraikitra isan-tokony eto amin’ny firenena hanentanana sy hiarovana amin’ny mety ho voka-dratsin’ny fampiasana akora simika eo amin’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana tetsy amin’ny DLC Anosy.

HCC : 36 ireo kandida Filohampirenena amin’ny fihodinana voalohany

0
Nivoaka omaly Alarobia faha-22 aogositra ny fanapahan-kevitry ny fitsarana avo momban'ny lalampanorenena, mirakitra ireo kandida ofisialy amin'ny fihodinana voalohany. 36 izy ireo ary 10 no tsy nahafeno ny fepetra ka tsy ho isan'ny kandidà.

Mpividy taolana : asa mandava-taona

0
Toerana maro eto Antananarivo renivohitra no ahitana mpividy sy mpanangona taolana. Hatao inona izy ireny ary aiza no andefasana azy ? Ao anatin'ity fanadihadiana manaraka ity no hahafantaranao ny valin'ireo fanontaniana ireo.

Fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana : voararàn’ny lalàna

0
Manoloana ny tranga niseho tany Toamasina, tamin’ny fanentanana nataon’olon-tsotra iray hifidy ny filohan’ny antoko TIM Marc Ravalomanana, nanambara ny teo anivon’ny CENI androany fa mahavoasazy ny kandidà izany raha toa ka voamarina ho nisy hifandraisany tamin’ny tenany manokana io fiantsoana mialohan’ny fotoana io. Etsy ankilany, miankina amin’ny fisian’ny fitoriana no ahafahan’ny eo anivon’ny CENI manao fanadihadiana manoloana ity raharaha ity.

Malagasy Miara-Miainga : najoro tamin’ny fomba ofisialy ny birao ho an’ny Distrikan’i Moramanga

0
Najoro tamin'ny fomba ofisialy ny Biraon'ny antoko Malagasy Miara-Miainga ao amin'ny distrikan'i Moramanga. Ny fotokevitra ijoroan'ny Antoko Malagasy Miara-Miainga no naharesy lahatra anay, hoy ny filohan'ny MMM ao Moramanga nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony.