dimanche 19 mai 2024
Accueil 2018 septembre

Archives mensuelles: septembre 2018

CENI : mitontaly 9 913 599 ny isan’ny mpifidy ofisialy eto Madagasikara

0
Mitontaly 9 913 599 ny isan’ny mpifidy ofisialy voasoratra anarana ao anatin’ny lisim-pifidianana taorian’ny fampidirana ireo lisitra hadino miisa 23 159 izay neken’ny teo anivon’ny fitsarana.

Vidin-tsolika : niakatra 50 Ariary isaky ny litatra nanomboka ny fiandoahan’ny volana Septambra teo

0
Tsy fantatra mazava ny vidiny tena izy amin’ny vidin-tsolika eto Madagasikara. Mihoatra amin’ny voalaza ho tokony ho vidiny no anjifana ny solika eny amin’ny mpaninjara ankehitriny. Ny eo anivon’ny OMH anefa izay nilaza fa mbola maherin’ny 300 Ariary ny elanelana amin’ny vidiny tena izy.

Fanafoanana ny fampiantsoana ny mpifidy : nolavin’ny Filankevim-panjakana.

0
Nolavin’ny teo anivon’ny filankevim-panjakana ny fitoriana na ny requête napetraky ny kandidà Randriamanantsoa Tabera sy A/toa Ralaiseheno Guy Maxime. Efa nandrasana ary nanaraka tanteraka ny voalazan’ny lalàna ny conseil d’Etat hoy ny mpahay lalàna nanontaniana. Feno ankehitriny ny fepetra hirosoana amin’ny fifidianana, hoy kosa ny teo anivon’ny CENI manoloana izany.

ANEDD – METFP : mitohy ny fiaraha-miasa ho fampiharana ny fampandrosoana lovain-jafy eny amin’ny sekoly

0
Tontosa tamin'ny andron’ny omaly teny amin'ny Akany Avoko Ambohidratrimo ny atrik'asa ho fampidirana eo amin'ny sehatry ny fanabeazana ny fampandrosoana lovain-javy, niarahan'ny ANEDD sy ny teo anivon'ny ministeran'ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana

Filoham-panjakana : mazava ny andraikiny araka ny voalazan’ny lalàna

0
Mazava ny volazan’ny lalàna momba ny andraikitry ny Filohampirenena misolo toerana na Filoham-panjakana, hoy ny mpahay lalàna nanaovan’ny mpanao gazetin’ny KOLO TV/FM fanadihadiana ka tsy tokony hampirohirohy saina ny vahoaka.

Voka-panadinana BEPC : CISCO miisa 21 no efa nivaly

0
Cisco miisa 21 no efa namoaka ny voka-panadinana BEPC hatreto manerana an’I Madagasikara. Mbola miandry ny naoty taranja ara-panatanjahantena kosa ny fivoahan’ny vokatra ho an’ny cisco eto amin’ny faritra Analamanga. Amin’ny ankapobeny, saika nahitam-piakarana avokoa ny taham-pahafana tamin’ity taona ity ho an’ireo efa nivaly.

Filoha mpisolo toerana : misy andinin-dalàna maro mametra ireo tsy azony atao

0
Afaka mandray ny andrikitry ny filoha amin'ny maha filoha mpisolo toerana azy ny filoha Rivo RAKOTOVAO, saingy misy andinin-dalana maromaro mametra ireo tsy azony atao, araka ny fanapahana navoaky ny HCC, mitondra ny laharana fah 7-HCC/AV ny faha 7 ny volana Septambra 2018. Ny Filoha voafidim-bahoaka ihany no afaka mampihatra ireo andinin-dalàna maromaro ireo.

Orinasa QMM : efa miroso amin’ny fitrandrahana monazite

0
Efa miroso amin'ny fitrandrahana monazite ny orinasa Qmm raha ny fanambarana navoakan'ny fiarahamonim-pirenena izay nanantanteraka fanadihadiana tany Taolagnaro. Efa niroso tamin'ny fanondranana ity orinasa ity, hoy ny solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tany an-toerana.

Orinasa Malagasy – KRAOMA : misedra olana goavana

0
Tsy mitsaha-mitotongana ny orinasa Malagasy Kraoma amin'izao fotoana. Taorian'ny Air Madagascar sy ny Jirama, ny Kraoma indray izao no voalaza misedra olana goavana. Misy fifandraisany amin'ny Politika sy ny dian'ny filoha teo aloha tany Rosia ve izany ?

Raharaha Carrière Anjozorobe: voaporofo fa mandainga ny Filohampirenena teo aloha

0
Miverina mitsikafona ary voaporofo fa mandainga ny filohampirenena teo aloha raha nilaza tany Iavoloha fa tsy tany Anjozorobe ny zanany izay voasaringotra tamina raharaha fahafatesana mpitrandraka madinika iray teny amin'ny kariera teny Anjozorobe. Ankilany, mbola mitohy mandraka ankehitriny ny fitrandrahana ataon'ny ekipan'izy ireo eny an-toerana.