dimanche 19 mai 2024
Accueil 2018 septembre

Archives mensuelles: septembre 2018

Etienne AV7

0
Etienne AV7 Navotsotry ny mpaka an-keriny i Etienne Andriamahefarisoa, filohan'ny AV7 no sady filohan'ny fikambanana manohana an'i Andry Rajoelina. Mitatara ny zava-niseho ny tenany ato anatin’ity fanampim-panazavana entiny ity.

Factuel et ambiance

0
Ady sahala 2 noho 2. Izay ny vokatry ny lalao nifanandrinan’i Madagascar sy Sénégal amin’ny fifanintsanana isam-bondrona ho fiadiana izay ho tafiakatra amin’ny CAN 2019 any Cameroun.Tsara toerana ny Barea hatreto.

Korontana Barea

0
Fa mialohan’ny niatombohan’iny lalao baolina kitra iny, Korontana tanteraka ny teny ivelan’ny Mahamasina nandritry ny filaharana sy fidiran’ny mpijery tao anatin’ny kianja ny maraina teo. Maherin’ny 36 no naratra vokatr’izay, 1 no namoy ny ainy raha ny isa ofisialy. Mampanahy ny maro ihany anefa io taha nomen’ny teo anivon’ny HJRA io.

Demission Rajao

0
Ny maraina teo, nametraka requette teny amin'ny Conseil d'Etat ny eo anivon'ny fiadidiana ny repoblika, nangataka fa tsy tokony hametraka fialana ny filoha am-perinasa, mandra-pitsara ny fitorian-dry Tabera sy ny namany. Midika izany fa mitady amin'ny fomba rehetra hifikirana amin'ny seza ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy ireo manodidina azy.

Min environnement Mananjary

0
Saron'ny tomponandraikitra eo anivon'ny ministeran'ny tontolo iainana ao Vatovavy Fitovinany ny fisandohana andraikitra sy ny fampiasana taratasy hosoka ataon'ireo mpanao afera hazo. Ny ministera foibe izay nanome baiko fa tsy ekena kolikoly sy ny fanaparam-pahefana hahafahana miroso amin'ny fampandrosoana.

Arborétum

0
Mitohy hatrany ny asa fanorenana samihafa etsy amin’ny zone de recasement ankorondrano andrefana sy ny arboretum ambatobe na dia efa nisy aza ny fampiatona ny asa avy amin’ny ministerana isan-tokony. Niezaky ny nanafina ny fandehan’ny asa tamin’ny mpanao gazety teto amin’ny kolo tv androany ireo mpiasa teny an-toerana.

Vehivavy sy ny fandraharahana

0
Vitsy ny vehivavy miditra amin’ny sehatry ny fandraharahana eto Madagasikara. Ny tsy fahampian’ny fanohanana sy ny kolontsaina amin’ny akapobeny no mipetraka ho sakana ho an’ny vehivahy eo amin’izay tontolo izay hoy ny mpandraharaha. Fanadihadiana.

J- 2 Rajao

0
Afaka 2 andro ny fotoana voafaritra hametraham-pialan'ny filohampirenena amperinasa ka handraisan’ny filohan’ny antenimieran-doholona ny fahefana amin’ny maha filoham-pajakana azy. Na izany aza, hadino tanteraka ny sosialim-bahoaka mahatonga ny fitarainana etsy sy eroa. Variana amin'ny kajikajy politika sy ny fitazonana seza ny mpitondra.

Insécurité Ambatofinandrahana

0
Dahalo 200 lahy no nanafika tao an-tampon-tananan'Ambatofinandrahana ny alin'ny talata. Voaroba avokoa izay rehetra nolalovany, ary vehivavy mitondra vohoka 1 no nodoran'izy ireo tao amin'ny trano fonenany. Mitaraina ary manao antso avo amin'ny mpiotndra fanjakana ny mponina any an-toerana.

PM Mahazoarivo

0
Manoloana izay fitoriana na Requête napetraky ny Kandidà Tabera Randriamanantsoa sy Atoa RALAISEHENO Guy Maxime izay, naneho ny heviny ihany koa ny Praiminisitra lehiben'ny governemanta. Malalaka ny fanehoan-kevitra manoloana ny raharaham-pirenena hoy ny izy. Na izany aza, efa voafaritra miloha ny tetiandro hirosoana amin'ny fifidianana ka tsy hiova amin'izay isika.