Archives quotidiennes: 24 janvier 2019

Tsy fandriampahalemana 3 taona nisesy : niakatra hatrany ny kalitaon’ny fitaovan’ny dahalo

0
Niakatra 16 ireo mpitandro ny filaminana lavon'ny dahalo tamin'iny taona 2018 lasa teo raha ny tatitra teo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Niakatra ny kalitaon'ny fitaovana nampiasain'ireo jiolahy ireo ary nitombo ihany koa ny herisetra raha ny tatitra hatrany.

Tambazotra sosialy : tsy mbola voafehy tanteraka eto amintsika

0
Ny demokrasia sy ny tambazotran-tserasera indray no nitondran’ny agence Capsule sy ny kolotv fanadihadiana tamin’ity indray mitoraka ity. Mampahazo vahana ny demokrasia saingy tsy mbola voafehy tanteraka eto amintsika ny Facebook hoy ny mpandinika fiarahamonina. Fanadihadiana.

Fampiroboroboana ny fandraharahana: mitaky fepetra maro

0
Teboka maro no mila fanavaozana vao afaka mampiroborobo ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara isika, raha ny fanehoankevitr’ireo misehatra amin’ny tontolon’ny fandraharahana. Ity farany izay isan’ny laharam-pahamehana amin’ity fitondrana ity, araka ny kabary nataon’ny filohampirenena Andry Rajoelina, nandritry ny fianianana nataony tamin’ny vahoaka Malagasy. Fanadihadiana.

Lalana arrêt 30 – Vatobe : potika tanteraka ny lalana namboarina vao tsy ela

0
Tsy ampy herintaona izao no nanamboarana ny lalana eo anelanelan’ny arret 30 sy vatobe etsy amin’ny 67ha saingy potika tanteraka izany ankehitriny ary mampitaraina ny vahoaka. Maro ihany koa no miverina an-dalana vao mahatazana ny lavaka be. Ireo tratran’ny tsy maintsy ihany no mizotra iny lalana iny. Ankoatra ny mampiasa lalana, lasibatry ny voka-dratsy ateraky ny faharatsian’ny lalana eto an-drenivohitra ihany koa ireo toeram-pisakafoana manamorona ny arabe.