Archives quotidiennes: 26 janvier 2019

Governemanta vaovao : taratry ny fampiraisana sy ny fandrosoana

0
Hahitana taratra ny maha iray tsy mivaky an’i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy ny endriky ny goverenemanta ankehitriny. Izay no fanehoankevitr’ireo mpisehatra sednra ny mpanao gazety. Azo antoka fa anatin’ny fotoana vitsy dia ho hita taratra ny fandrosoan’ny firenena manaraka izay fotoana nifanarahana tamin’ireo minisitra. Ny fampandrosoana no vokatra andrasan’ny vahoaka amin’izy ireo hoy ny parlemanta nanoavana fanadihadiana.

Passation minisitra

0
Tahaka ny hita nanomboka ny alatsinainy lasa teo, mihazakazaka ny toe-draharaha eto amin'ny firenena. Asa ary asa avy hatrany no ilaina hoy ny filoham-pirenena. Araka izany, minisitera maromaro no nanatanteraka ny famindram-pahefana androany. Ireo minisitera tsirairay avy izay samy manana ny laharam-pahamehana araka ny nanirahana azy avy. Ato anatin'ity fanadihadiana manaraka ity no hanarahanao ny ampahany tamin'izany.

Hajo ANDRIANAINARIVELO : “ hiasa ary ho porofoina amin’ny asa ny fampandrosoana an’i Madagasikara“

0
Hanomboka ny asa, ary tena hiasa sy ho porofoina amin ‘ny alalan’ny asa. Raha tsorina , ny asa vita no hifampitsarana . Izay ny ambetitenin’ny Minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeramponenana sy ny asa vaventy androany ,nandritry ny fifamindram-pahefana teo aminy sy ireo minisitra teo aloha.

Andro iraisam-pirenena ho an’ny fadintseranana : hapetraka ny « sisin-tany SMART « 

0
Nisesisesy ny trangana fanondranana rongony tamin'iny taona 2018 teo iny raha ny tatitra avy teo anivon'ny fadin-tseranana. Nahatratra 60 kg kosa ireo rongony tratra. Manoloana io nametraka paikady '' sisin-tany SMART " ity sehatra ity ho fanatsarana ny fomba fiasa.

Minisitry ny vola sy ny tetibola teo aloha : nahazo « avance unique et exceptionnelle » 4 miliara ariary

0
« Régie d’avance unique et exceptionnelle » mihoatra ny 4 miliara ariary no voasonian’ny minisitry ny vola sy ny tetibola teo aloha. Famoahambola mihoatra lavitra ny 15 tapitrisa ariary izay tetibola be indrindra voafaritry ny didy azo alaina. Tsy fantatra ihany koa ny fomba nahazoana izany.