Archives quotidiennes: 7 janvier 2019

Fifidianana filohampirenena: tokony hajaina ny safidim-bahoaka

0
Tontolon’ny fifidianana. Tokony hajaina ny safidim-bahoaka hoy ny firaisankinan’ny zanaky ny faritra 22 eto Madagasikara. Safidy izay mirona makany amin’ny kandida Andry Rajoelina. Ny tenany izay lany tamin’ny faritra 15 amin’ny 22 manerana ny nosy. Izany hoe Faritany 5 amin’ny 6. Tsy tokoy ho voarebireby amin’ny korontana sy krizy inbtsony ny vahoaka malagasy hoy izy ireo.

Litchi : mihena ny fanjifana eo amin’ny tsena iraisampirenena

0
Nihena ny fanjifana sy ny vidin’ny litchi malagasy eo amin’ny tsena Eoropeana taorian’ny fetin’ny noely sy ny faran’ny taona. Manodidina ny 2.30 hatramin’ny 3Euro ny vidin’ny iray kilao. Ny kalitao nefa tsy miova. Fanadihadiana.

Voka-bary aloha : niakatra avo roa heny tamin’ity taom-pamokarana ity

0
Nahafa-po ny rano ho an'ny fambolem-bary hoy ireo tantsaha izay ao anatin’ny finjinjana vary aloha ankehitriny. Avo roa heny ny fiakaran’ny vokatra raha oharina amin'ny taom-pambolena farany teo.

Air Madagascar : takian’ny Air France 101 tapitrisa dolara

0
Mitaky 101 tapitrisa dolara amin’ny Air Madagascar ny Air France, araka ny nangatahan’izy ireo tamin’ny fitsarana « Tribunal de commerce de Paris » ny faha 12 ny voalana Desambra lasa teo. Ny hofan’ny Airbus A340 n’ny Air France nanomboka ny taona 2012 no anton’io trosa miopapana io.

EPP Behoririka : mitohy hatrany ny asa fanorenana

0
Mitohy hatrany nyasa fanorenana eo anoloan'ny EPP sy eo amin'ny tanin'ny EPP Behoririka amin'izao fotoana. Raha ny fanazavana azo tamin’ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra, efa nisy ny fanafoanana ny fanorenana saingy misy olona ambadika nanome fanomezan-dalana vaovao.

Presse Internationale : manameloka ny fanasoketana ny mpanao gazety manao ny asany

0
Manoloana ny toe-draharaha nitranga teny amin'ny Parvis Analakely omaly, izay nanasoketan'ireo mpanao fihetsiketsehana teny an-toerana ny mpanao gazety izay manao ny asany. Namoaka fanambarana manameloka izany ny Presse Internationale eto Madagasikara.