Archives quotidiennes: 25 janvier 2019

Fiadidiana ny repoblika : mpanolotsaina akaiky ny fitondrana teo aloha maro no notsoahana

0
Maherin’ny 50 ireo mpanolotsaina teo anivon’ny fiadidiana ny repoblika voatsoaka omaly alina. Ireo minisitra tsy nahazo toerana intsony taorian’ny fanoloana azy no ankamaroany. Indrindra ireo niara-niasa tamin’ny filoha teo aloha sy ny fitondrana HVM.

Fikarakana fifidianana : teboka maro no ilana fanatsarana

0
Tokony hampitomboana 4-bolana farafahakeliny ny fe-potoana fiantsoana ny mpifidy. Izay no anisan’ny tolokevitra navoitran’ny CENI nandritra ny fanaovana tomban’ezaka sy tatitry ny fikarakana ny fifidianana filohampirenena farany teo. Teboka maro ihany koa ankoatra izay no liana fanatsarana.

Governemanta NTSAY : voatendry ny hariva teo ireo minisitra

0
Voatendry ny hariva teo teny amin’ny alapam-panjakana Iavoloha ireo minisitra handrafitra ny governemanta NTSAY Christian. Telo andro taorian’ny nanendrena ny praiminisitra. Teknisiana, mpandraharaha, mpanao politika, manam-boninahitra no hiara-hisalahy anatin’ny fanatanterahana ny velirano 13 anatin’ny IEM.

EKETSANG : lasa Tempête Tropicale Modérée

0
Nitombo hery ary lasa Tempête Tropicale Modérée ilay rivodoza mitondra ny anarana hoe EKETSANG. Faritra maro manoloana io no mahazo filazana loza.