Archives quotidiennes: 17 janvier 2019

Filoham-panjakana vahiny  : niarahaba sy nirary soa ny filoha Andry RAJOELINA

0
Manao tohivakana ny fiarahaban’ny filohampanjakana vahiny maro ny filohampirenena malagasy Andry Rajoelina. Filohampirenena maro sy praiminisitra ary olomanankaja vahiny maro no nanoratra taratasy firariantsoa ary ho avy eto Madagasikara hanatrika ny fianianana ataon’ny filoha vaovao ny sabotsy izao eny Mahamasina. Nanamafy ny fahavononany hiara-hiasa amin’ni Madagasikara amin’ny sehatra rehetra ihany koa izy ireo.

Fanavaozana ny lisi-pifidianana : distrika 9 amin’ny 119 ihany no ahitana fahavitrihana

0
Amin'ny faha 15 Febroary ho avy izao no hifarana ny fisoratana anarana hoan'ireo izay tsy tafiditra tao anaty lisi-pifidianana sy ny fanesorana ireo anarana izay tsy tokony ho hita ao anaty lisi-pifidianana intsony. Marisa ny fahazotoan'ny olona amin'ity hetsika ity raha 9 amin'ireo distrika 119 manerana ny nosy ihany no ahitana fahazotoana hatreto.

Fitsarana : mpitsara 7 voasazy

0
Mpitsara 7 no voasazy raha ny tatitry ny filankevitra ambonin’ny mpitsara omaly. Anton’izany ny tsy fanarahan’izy ireo ny fepetra anatiny mifehy ny asan’ny mpitsara. Misy ny lalàna mifehy ny asan’ny mpitsara raha ny fanazavan’ireo mpahay lalàna nanaovana fanadihadiana. Ary tsy misy ihany koa ny ambanin’ny lalàna.

Vondrona Eoropeana : nampanantena ny hanohana hatrany an’i Madagasikara

0
Dingana iray lehibe eo amin'ny tantaran'i Madagasikara tao anatin'ny 20 taona izao fijoroan'ny filohampirenena lany tamin'ny fomba ara-demokratika izao, hoy ny avy ao amin'ny vondrona Eoropeana. Fihetsika izay mampirisika azy ireo hitondra ny anjara biriky amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara raha ny fanazavana.