Archives quotidiennes: 16 janvier 2019

Praiminisitra NTSAY Christian : tontosany ny andraikitra napetraka taminy

0
Tontosa ankehitriny ny iraka izay niantsorohan'ny Governemanta tarihan'i Praiministra NTSAY Christian izay niompana tanteraka tamin'ny fanatontosana ny fifidianana filohampirenena. Hametra-pialana faobe ity governemanta ity aorian'ny fianinana ataon'ny Filoha Andry RAJOELINA ny Sabotsy ho avy izao.

Fianianan’ny Filoha RAJOELINA Andry : Filoham-panjakana vahiny maro no hanatrika izany

0
Filoham-panjakana vahiny maro no hanatrika ny fianianan’ny Filohampirenena Malagasy RAJOELINA Andry amin’ny Sabotsy ho avy izao etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, araka ny loharanom-baovao voaray.

Fakana an-keriny 2019: niharany voalohany ny “Consul honoraire” Aostraliana

0
Omaly tokony tamin’ny 7 ora hariva, lasan’ny mpaka an-keriny tany Antsiranana ny consul honoraire an’I Australie Habib Zavar Houssen. Sambany no nisian’izany tany Anstiranana, ity ihany koa no fakana ankeriny voalohany teto amin’ny firenena ho an’ny taona 2019.

Ady amin’ny valan’aretina kitrotro : vonona hanampy ireo firenena avy any ivelany

0
Nanatanteraka fikaonan-doha niaraka tamin'ireo mpiaramombon'antoka ny teo anivon'ny governemanta androany tetsy amin'ny lapan'ny Praiminisitra Mhazoarivo. Fikaonandoha izay entina hanatsarana ny paik'ady iadiana amin'ny valan'aretina kitrotro.