Archives quotidiennes: 15 janvier 2019

Famindram-pahefana sy fianianan’ny filohampirenena : tsy tokony hiova ny lamina hoy ny mpahay lalàna

0
Tsy mbola fantatra mazava hatreto raha toa ka ho tanterahana aorian’ny fianianan’ny Filohampirenena Andry Rajoelina ny famindram-pahefana aminy sy ny filoha teo aloha. Hatreto manamafy ny mpahay lalàna nanontaniana fa tsy tokony hiova amin’ny lamina nipetraka hatramin’izay ny mikasika izany. Fanadihadiana.

Fihotsahan’ny tany : tandindomin-doza indray ireo mponina eny Ampamarinana

0
Tandindomin-doza ireo mponina eny Ampamarinana amin'izao fotoana izao. Izy ireo, izay nampanantenain'ny fitondram-panjakana ny volana febroary 2018 fa hafindra toerana taorian'ny fihotsahan'ny vato namoizana ain'olona teny an-toerana. Hatramin'izao, tsy hita ny fandraisan'andraikitra hoy ireo mponina.

Tsy fisian’ny fotoam-pivavahana mandritra ny fianianana : fanajana ny lalàmpanorenana

0
Taratry ny fanajana ny lalàmpanorenana sy ny maha tany repoblikana an'i Madagasikara ny tsy fisian'ny fotoam-pivavahana mandritra ny fanaovan'ny filohan'ny Repoblika fianianana ny sabotsy ho avy izao. Tsy tokony afangaro ny seha-pinoanana sy ny raharaha politika raha ny fanazavan'ireo mpandinika fiaraha-monina.

Fanaovam-baksiny faobe miaro amin’ny aretina kitrotro : nanomboka androany

0
Distrika miisa 25 eto Madagasikara no misitraka ny vaksiny entina miady amin'ny aretina kitrotro nanomboka androany faha 14 Janoary ka hatramin'ny faha 18 Janoary ho avy izao. Ho an'ny teto an-drenivohitra manokana, mbola olana ny fisian'ireo Ray aman-dReny mandà ny hanaovana vaksiny ny

Fotoan-gasy : nentina namaritana ny tsy fahamarinam-potoana teo amin’ny Ntaolo

0
Efa tsy fampiasa amin’izao vanim-potoana izao intsony ny voambolana hoe fotoan-gasy. Tsy hita any anatin’ireo haisoratra Malagasy ihany koa raha ny fanazavana. Raha ny tantara, ny fomban’ny Ntaolo Malagasy no nipoiran’io voambolana io.

Lavanila vavateninaSeha-pihariana lavanila – Vavatenina : lasibatry ny halatra, ny fanafihana mitam-piadina sy ny kolikoly

0
Lasibatry ny halatra sy ny fanafihana mitam-piadiana ny mpamboly sy mpandraharaha lavanila ao amin’ny distrikan’i VAVATENINA. Tsy nisy fandraisan’andraikitra mivantana nataon’ny fitondrana nifandimby. Miandrandra vahaolana azo tsapain-tanana avy amin’ny fitondram-panjakana vaovao ny tantsaha hoy ny solombavambahoaka.